1. Firotsahan’ny Fanahy
1 Ary rehefa afaka izany, dia indro
fa handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetraAho,
ka ny zanaka lahy aman-janaka vavinareo haminany;
ny anti-panahinareo hahita nofy,
ny zatovonareo hahazo fahitana.
2 Na dia ny mpanompo lahy ama-mpanompo vavy aza,
handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.
3 Haneho zava-mahagagaeny an-danitra sy etỳ
an-tany Aho,
dia ra sy afo aman-tsetroka mitankosina.
4 Ny masoandro hiova ho haizina,
ary ny volana ho ra,
alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Iaveh,
izay sady lehibe no mahatahotra.
5 Ary na zovy na zovy hiantsony Anaran’i Iaveh, dia ho voavonjy;
fa ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema
dia hisy fivorian’ny voavonjy araka ny voalazan’i Iaveh,
mbamin’ireo eo amin’izay sisa velona, izay antsoin’i Iaveh.