2. Fitsarana ny vahoaka
1 Fa amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany,
izay hampodiakoireo lasan-ko babo avy amin’i Jodà sy i Jerosalema,
2 dia indro fa hovoriko ny firenena rehetra,
ka hoentiko midina ho eo amin’ny lohasahan’i Jôsafata;
ary eo no hifandaharako amin’izy ireo,
noho ny amin’i Israely vahoakakosy lovako,
izay naeliny tany amin’ny firenena,
sy noho ny amin’ny taniko izay nozarazarainy.
3 Satria nanaovany lokany vahoakako,
zaza lahy no nataony takalon’ny vehivavy janga,
ary zaza vavy no namidiny divay, ka nisotro izy ireo.
Fitarainana amin’ny ataon’ny Fenisianina sy ny Filistinina
4 Ny aminareo koa dia mifaninona Izaho sy ianareo, ry Tira sy Sidona,
mbaminareo faritany rehetra any Filistia?
Mitady ny hamaly Ahy va ianareo?
Raha mba mihaika Ahy ianareo,
dia vetivety foana tsy ampy toy inona no hanatsingerenako
eo an-dohanareo ny fihaikanareo;
5 fa ianareo no naka ny volafotsy amam-bolamenako,
ianareo no nitondra ho any an-tempolinareo
ny firavako sarobidy indrindra;
6 ianareo no nivarotra tamin’ireo zanak’i Javàna
ny zanaka lahin’i Jodà sy ny zanaka lahin’i Jerosalema,
mba hitondrana azy lavitra ny taniny.
7 Fa indro Aho kosa efa hampitsangana azy
any amin’ny tany nivarotanareo azy,
sy hampitsingerina ny fihaikanareo ho eo an-dohanareo.
8 Hamidiko ny zanaka lahy aman-janaka vavinareo
ho eo an-tanan’ny zanak’i Jodà,
ka hamidiny amin’ny Sabeanina
amin’ny firenena lavitra any;
fa i Iaveh efa niteny.
Fiantsoana ny vahoaka
9 Miantsoa izao any amin’ny firenena:
Miomàna hiady ianareo!
Asaovy mitsangana ny lehilahy mahery!
Aoka hanatona, aoka hiakatra avokoa,
ny lehilahy mpiady rehetra!
10 Manaova sabatra amin’ny angadinareo;
sy lefona amin’ny antsinareo;
aoka ny osa hilaza hoe: olo-mahery fo aho!
11 Faingàna ianareo, tongava avokoa
ianareo firenena manodidina rehetra, ka mivoria.
Iaveh ô, ento midina ao ny maherinao!
12 Aoka hitsangana ny firenena, ary aoka hitraka izy
ho eny amin’ny lohasahan’i Jôsafata!
Fa any no hipetrahako hitsara
ny firenena rehetra manodidina.
13 Raiso ny antsyfijinjàna fa masaka ny vary;
avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka,
mihoatra ny barìka;
satria be ny haratsian’izy ireo.
14 Vahoaka be, vahoaka be,
ao amin’ny lohasahan’ny fanapahana!
Ny andron’i Iaveh
15 Ny masoandro amam-bolana, nihamaizina,
afaka amin’ny kintana ny famirapiratany.
16 Hierona avy ao Siôna i Iaveh,
ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema Izy;
hihorohoro ny tany aman-danitra.
Nefa i Iaveh no ho fialofana ho an’ny vahoakany,
ho fiarovana ho an’ny zanak’i Israely.
17 Dia ho fantatrareo fa Iaveh Andriamanitrareo Aho,
izay monina ao Siôna, tendrombohitro masina;
ho fitoerana masina i Jerosalema,
ka tsy hodiavin’ny hafa firenena intsony.
Fiadanan’i Israely tafarina
18 Amin’izany andro izany dia hitete
avy amin’ny tendrombohitra rehetra
ny divay vaovao;
ny havoana handriaka ronono;
ary ny lohasahan-driaka any Jodà, hitsororohan’ny rano avokoa.
Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’i Iaveh,
ka handena ny lohasahan’ny Akasià.
19 I Ejipta kosa, hanjary tany lao,
i Edôma ho efitrafaharavana,
noho ny fahasahiana namelezany ny taranak’i Jodà,
fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin’ny taniny izy ireo.
20 Ary i Jodà, honenana mandrakizay,
ary i Jerosalemakoa mandritra ny taona mifandimby.
21 Fa hosasako ny ran’izy ireo, izay mbola tsy voasasako.
Dia honina ao Siôna i Iaveh.