Ny fanatitra
1 «Raha misy olona manolotra zavatra amin’i Iaveh hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.
2 Hoentiny amin’ny mpisorona zanak’i Aarôna izany, dia angalan’ny mpisorona eran-tanana ila miaraka amin’ny lafarina tsara indrindra voararaka diloilo ny emboka rehetra, ka hodorana hanetona eo ambonin’ny ôtely izany, ho fahatsiarovana. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
3 Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»
4 «Raha zavatra endin-dafaoro no atolotrao ho fanatitra, dia ho mofo mamy vita amin’ny lafarina tsara indrindra tsy misy lalivay, voadity amin’ny diloilo, sy mofo manify, tsy misy lalivay, voararaka diloilo.»
5 «Ary raha mofo endin-dapoaly no atolotrao ho fanatitra, dia mofo lafarina tsara indrindra voadity amin’ny diloilo, tsy misy lalivay.
6 Hovakinao ho tapatapany izy, dia horarahanao diloilo; fanatitra izany.
7 Raha mofo mamy nandrahoina tamin’ny kasirôlina no atolotrao ho fanatitra dia hatao amin’ny lafarina tsara indrindra miharo diloilo.
8 Hoentinao ho ao amin’i Iaveh ny fanatitrao, rehefa voavoatra toy izany; ary rehefa voatolotra amin’ny mpisorona izy, dia hoentiny ao amin’ny ôtely.
9 Havahan’ny mpisorona izay tsy maintsy aterina ho fahatsiarovana, dia hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely; sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
10 Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; fa zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»
11 «Ny fanatitra rehetra aterinao ho an’i Iaveh dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh rehefa zavatra misy lalivay na tantely.
12 Fa azonareo atolotra an’i Iaveh ho fanatitra voaloham-bokatra izany; nefa tsy hisy apetraka eo ambonin’ny ôtely ho fanatitra misy hanitra ankasitrahina.
13 Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran’ny fanekem-pihavanan’ny Andriamanitrao ny fanatitrao: hanolotra sira ao amin’ny fanatitrao rehetra ianao.»
14 «Raha fanatitra atao santa-bokatra no entinao amin’i Iaveh, dia salohim-bary voaendy amin’ny afo, lango voatoto, no haterinao ho fanatitra hatao santa-bokatrao.
15 Handrarahanao diloilo eo amboniny ary hampianao emboka; fanatitra izany.
16 Ny sasany amin’ny vary voatoto sy ny diloilo ary ny emboka rehetra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona ho fahatsiarovana. Sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»