Categories
Levitika

Levitika 26

Famintinana sy famaranana

1 «Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasikotra, na tsangam-baton-tsampy, na manorona vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

2 Tandremo ny sabatako, ary hajao ny fitoerako masina. Izaho no Iaveh.»

Tso-drano

3 «Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo, ka mankatò izany,

4 dia halatsako amin’ny fotoany ny orana ho anareo; hahavokatra ny tany; hamoa ny hazo eny an-tsaha.

5 Ny fivelezam-bary haharitra hatramin’ny fitoazam-boaloboka; ny fitoazam-boaloboka hahatratra ny famafazana; dia hihinana ianareo ka ho voky tsara, ary handry feizay eo amin’ny taninareo.

6 Hasiako fiadanana eo amin’ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo. Ny biby masiaka hofongorako amin’ny tany; ary ny sabatra tsy hamakivaky ny taninareo.

7 Hanenjika ny fahavalonareo ianareo; ary ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.

8 Dimy aminareo no hanenjika zato, ary zato aminareo no hanenjika iray alina; ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ny fahavalonareo.

9 Hitodika anareo Aho, ka hahamaro anaka anareo sy hampitombo anareo ary hanorina ny fanekeko aminareo.

10 Hihinana ny vokatra tranainy ianareo, dia ny tranainy dia tranainy tokoa, ary hanary ny tranainy hahitana toerana ho an’ny vao.

11 Hanorina ny fonenako eo afovoanareo Aho, ary tsy ho tofoka aminareo ny fanahiko.

12 Handeha eo afovoanareo Aho, ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho vahoakako.

13 Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin’ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran’ny jioganareo Aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana.»

Ozona

14 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo, ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,

15 raha manamavo ny lalàko ianareo ka boboky ny fitsipiko ny fanahinareo, ka tsy hankatoavinareo ny didiko rehetra sy hivadihanareo ny fanekena amiko,

16 dia izao no hataoko aminareo: hanirahako tebiteby sy areti-mihinana ary tazo ianareo, izay hahalali-maso anareo, sy handreraka aina anareo; hafafinareo foana ny voa afafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.

17 Hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resin’ny fahavalonareo ianareo; izay mankahala anareo no hanapaka anareo, ary handositra tsy enjehina ianareo.

18 Raha mbola tsy mihaino Ahy amin’izany ihany ianareo, dia hofaiziko impito mihoatra izany, noho ny fahotanareo.

19 Horavako ny reharehan’ny herinareo; hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo.

20 Ho lany maina ny herinareo, fa ny taninareo tsy hahavokatra, ny hazo amin’ny tany tsy hamoa ny voany.

21 Raha mandroso manohitra Ahy ihany ianareo, fa tsy mety mihaino Ahy, dia hokapohiko impito mihoatra, araka ny fahotanareo.

22 Halefako hamely anareo ny biby dia, hifaoka ny zanakareo, hamiravira ny biby fiompinareo, hahavitsy isa anareo, ka hanjary efitra ny lalanareo.

23 Rehefa voan’ireo sazy ireo ianareo, ka mbola tsy mety hanariko ianareo fa mandroso manohitra Ahy ihany,

24 dia Izaho kosa no handroso hamely anareo, ka hikapoka anareo koa Aho impito mihoatra, noho ny fahotanareo.

25 Hampiditra sabatra hamely anareo Aho, ho valin’ny nivadihanareo ny fanekeko; hiangona ao an-tanànanareo ianareo, dia hanirahako ny pesta ho eo aminareo ary ho voatolotra eo an-tanan’ny fahavalo ianareo,

26 rehefa hotapahiko ny mofo tohan’ainareo, ka lafaoro fanendasana iray no hanendasan’ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany ny mofonareo, dia hihinana ianareo fa tsy ho voky.

27 Raha efa izany ka mbola tsy mihaino Ahy ianareo, fa mbola mandroso manohitra Ahy,

28 dia handroso hanohitra anareo amin-katezerana mafy koa Aho, ka hofaiziko impito mihoatra ianareo, noho ny fahotanareo.

29 Hihinana ny mofon’ny zanakareo lahy ianareo, hihinana ny mofon’ny zanakareo vavy ianareo.

30 Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an’ny masoandro; hampifanongoaviko amin’ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian’ny fanahiko amim-paharikorikoana ianareo.

31 Ny tanànanareo hampanjariko efitra, ny fitoerana masinareo horavako, ary ny hanitra ankasitrahinareo avy amin’ny zava-manitrareo tsy hamboloiko intsony.

32 Hosimbako ny tany, ka ho talanjona ny fahavalonareo izay honina eo aminy.

33 Ianareo haparitako any amin’ny firenen-kafa, hoenjehiko amin’ny sabatra avy eo aoriana; ny taninareo ho lao ary ny tanànanareo ho zary efitra.

34 Amin’izany, hanana ny sabatany ny tany, mandritra ny fotoana hahafoana azy, rehefa any amin’ny tanim-pahavalonareo ianareo, amin’izany, dia hitsahatra ny tany, ary hanana ny sabatany.

35 Hananany mandritra ny fotoana hahafoana azy, ny fitsaharana tsy nananany tamin’ny sabatanareo, fony ianareo nonina teo aminy.

36 Izay ho sisa velona aminareo, hampidirako tebiteby ny fony any amin’ny tanim-pahavalony, ka ny fipikan’ny ravin-kazo iray monja voahetsika, dia ampy hahavaky mandositra azy; handositra toy ny enjehin-tsabatra izy, ary ho lavo tsy misy mpanenjika.

37 Hifampigona toy ny enjehin-tsabatra izy, nefa tsy iza tsy iza manenjika azy eo; ka dia tsy hahatoha ny fahavalonareo ianareo.

38 Ho lany ringana any amin’ny firenen-kafa ianareo, ary ho lanin’ny tanim-pahavalonareo.

39 Izay sisa velona aminareo dia hihalany ritra noho ny heloky ny tenany any amin’ny tanim-pahavalony; ary ho levona koa noho ny heloky ny razany izay ao aminy.

40 Fa hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy ireo, noho ny fahadisoana nataony tamiko; hiaiky izy fa noho ny nandrosoany nanohitra Ahy,

41 no nandrosoako nanohitra azy sy nandefasako azy tany an-tanim-pahavalony. Ary amin’izay, rehefa mietry tena ny fony tsy voafora, ka manaiky ny sazin’ny hadisoany,

42 dia hotsarovako koa ny fanekeko tamin’i Jakôba, hotsarovako koa ny fanekeko tamin’i Isaaka ary ny fanekeko tamin’i Abrahama, dia hotsarovako ny tany.

43 Ny tany nilaozany, ka hanana ny sabata mandritra ny fotoana hahafoana azy, nialan’izy ireo lavitra; izy ireo koa hanaiky ny sazin’ny hadisoany, noho izy efa nanamavo ny fitsipiko, sady boboky ny lalàko ny fanahiny.

44 Na dia amin’izany aza anefa, rehefa mby any an-tanim-pahavalony izy ireo, tsy dia hariako na ho halako hataoko levona mihitsy sy hahatapaka ny fanekeko taminy; fa Izaho no Iaveh Andriamaniny.

45 Hotsarovako hanasoavako azy ny fanekena nataoko tamin’ny razany, izay navoakako tany amin’ny tany Ejipta, teo imason’ny firenen-kafa, mba ho Andriamaniny Aho. Izaho no Iaveh.

46 Ireo no didy amam-pitsipika ary lalàna nataon’i Iaveh ho fifaneken’ny Tenany sy ny zanak’i Israely tao an-tendrombohitra Sinaia, tamin’ny alalan’i Môizy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *