Teny fanombohana
1 Tamin’izany andro izany, rehefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
2 Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
3 Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy.
Fanoharana amin’ny mpamafy
Hoy Izy hoe: «Indro nivoaka hamafy ny mpamafy;
4 ary nony namafy Izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;
5 ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady nanify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany;
6 kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka.
7 Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;
8 ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo.
9 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.»
Ny antony itenenan’i Jesoa amin’ny fanoharana
10 Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe: «Nahoana no fanoharanano itenenanao aminy?»
11 Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.
12 Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.
13 Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita,
14 ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe:
Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin’ny masonareo fa tsy hahita;
15 fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko.
16 Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre.
17 Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.
Fivoasana ny fanoharana amin’ny mpamafy
18 Koa henoy àry ny hevitry fanoharana ny amin’ny mpamafy.
19 Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
20 Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izany,
21 nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
22 Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.
23 Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny ary ny sasany telopolo heny.
Fanoharana amin’ny ahi-dratsy
24 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy, nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
25 fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
26 Nony naniry ny vary ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?
28 Ny fahavaloko no nanao izany, hoy ny navaliny. Tianao va ny handehananay hiava azy? hoy ireo mpanompony taminy.
29 Tsia, hoy Izy, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
30 Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitro ny vary.
Fanoharana amin’ny voan-tsinapy
31 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
32 Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy; fa rehefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny ànana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin’ny rantsany.
Fanoharana amin’ny lalivay
33 Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.
Ireo vahoaka tsy mandre afa-tsy fanoharana
34 Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,
35 mba ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany manao hoe:
«Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao.»
Fivoasana ny fanoharana amin’ny ahi-dratsy
36 Tamin’izay, nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: «Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy.»
37 Ary namaly Izy ka nilaza taminy hoe: «Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona;
38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
39 ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely.
40 Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
41 Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny fanjakany.
42 ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra; any ho hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
43 Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.»
Fanoharana amin’ny rakitra sy ny voahangy
44 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io.
45 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.
46 Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
Fanoharana amin’ny harato
47 «Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;
48 rehefa feno izy dia nosarihina ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy kosa nariany.
49 Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
50 ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»
Famaranana
51 «Efa azonareo va izany?» «Eny» hoy izy ireo taminy.
52 Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: «Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.»
Famangiana tany Nazareta
53 Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa,
54 ka nankany amin’ny tany nahabe azy, ary nampianatra tao amin’ny sinagoga; dia gaga ny olona ka nanao hoe: «Avy taiza àry no nahazoan’Izy io izany fahendrena sy hery izany?
55 Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io? Tsy i Maria va no anaran-dreniny, ary tsy i Jakôba, sy i Josefa, sy i Simôna ary i Jodà va no rahalahiny?
56 ary moa tsy etỳ amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra? Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?»
57 Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy: «Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany no tsy mba voahaja ny mpaminany.»
58 Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.