Categories
Mpit

Mpit 1

1 Tenin’ny Mpitory teny, zanak’i Davida,

mpanjaka tao Jerosalema.

2 Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitory teny,

zava-poana dia zava-poana!

Zava-poana ny zavatra rehetra.

3 Inona no soa azon’ny olona,

amin’ny fisasarana rehetra ikezahany atỳ ambany masoandro?

Teny mialoha

4 Lasa ny taranaka iray, tamy ny taranaka iray.

Ary ny tany maharitra mandrakariva ihany.

5 Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro,

ary dodona izy mba hody any amin’ny fonenany,

dia miposaka avy any ihany indray.

6 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra,

vao misampotina indray,

ka manomboka mihodina toraky ny teo.

7 Mankany amin’ny ranomasina avokoa, ny renirano,

nefa tsy feno ny ranomasina;

any amin’ny toerana alehany

no ankanesany tsy tapaka.

8 Miasa avokoa ny zavatra rehetra,

mihoatra noho ny azo lazaina;

ny maso tsy mamo mijery;

ary ny sofina tsy ketra-mihaino.

9 Izay efa teo no ho eo,

ary izay efa natao no hatao,

fa tsy misy zava-baovao atỳ ambany masoandro.

10 Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany!

dia efa nisy sahady tamin’ny siekla talohantsika izany zavatra izany.

11 Ny taloha tsy tsaroan’ny olona;

ny ho avy any aoriana koa,

tsy hamela fahatsiarovana,

ao amin’izay ho velona rahatrizay.

1. Fiainan’i Salômôna

12 Izaho, Mpitoriteny, dia efa mpanjakan’i Israely, tao Jerosalema,

13 ary nampiasa ny saiko aho,

hikaroka sy hamantatra amin’ny fahendrena,

ny zavatra rehetra atao atỳ ambany masoandro:

asa manasatra izany,

nefa asain’Andriamanitra ilofosan’ny zanak’olombelona.

14 Nodinihiko avokoa ny zavatra atao etỳ ambany masoandro,

ka indro, zava-poana amam-panenjehan-drivotra daholo.

15 Ny meloka, tsy mety mihamahitsy indray,

ary ny tsy eo, tsy azo isaina.

16 Hoy aho anakampo:

Indro efa nahazo ny fahendrena be sy miavosa aho,

mihoatra noho izany rehetra talohako teto Jerosalema,

ka nanam-pahendrena amam-pahaizana ampy be ny foko.

17 Nampiasa ny saiko aho, hahalala ny fahendrena,

sy hahalala ny hadalana amam-pahatezerana,

dia fantatro fa fanenjehan-drivotra ihany koa izany,

18 Satria rehefa be fahendrena, be alahelo koa;

ary izay mampitombo ny fahaizany, mampitombo ny fahoriany koa.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *