Teny mialoha
1 Aleo laza soa, toy izy hanitra soa;
ary aleo ny andro ahafatesana, toy izay ny andro ahaterahana.
2 Aleo mankany an-trano misy fisaonana,
toy izay mankany an-trano misy fanasana;
satria itsy voalohany ny isehoan’ny hiafaran’ny olombelona,
ka atodiky ny velona hieritreritra an’izany ny fony.
3 Aleo alahelo toy izay hehy;
fa ny tarehy malahelo, mahasoa ny fo.
4 Ny fon’ny hendry, ao an-trano misy fisaonana,
fa ny fon’ny adala, ao an-trano misy fifaliana.
5 Aleo mihaino ny fananaran’ny hendry,
toy izay mihaino ny hiran’ny adala.
6 Fa toy ny firefodrefotry ny tsilo ambany vilany
ny hehin’ny adala.
Zava-poana koa izany.
7 Fa ny fampahoriana, mahavery saina ny hendry;
ary ny kolikoly, mahasimba ny fo.
1. Ny valin’ny atao
8 Aleo ny fiafaran’ny zavatra, toy izay ny fiandohany;
aleo fo mahalefitra, toy izay fo miavonavona.
9 Aza maika foana ny ho tezitra am-po;
fa ny tratran’ny adala no fitoeran’ny hatezerana.
10 Aza manao hoe: Nahoana ny andro taloha,
no tsara noho ny ankehitriny?
fa tsy mba fahendrena no anontaniana an’izany.
11 Tsara ny fahendrena miaraka aman-dova,
ary mahasoa an’izay mahita masoandro izy.
12 Fa sahala ny fiarovana avy amin’ny vola
sy ny fiarovana avy amin’ny fahendrena;
nefa soa manan-tombo ny fahaizana,
dia mampiaina an’izay manana azy ny fahendrena.
13 Jereo ange ny asan’Andriamanitra:
Zovy moa no hahahitsy izay nomelohiny?
14 Mifalia, amin’ny andron’ny fahasambarana,
ary mieritrereta, amin’ny andron’ny fahoriana:
fa samy nataon’Andriamanitra ireo,
mba tsy hahafantaran’ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.
15 Izao rehetra izao no efa samy hitako,
tamin’ny andron’ny hatsinontsinoko.
Misy marina, maty amin’ny fahamarinany;
ary misy ratsy fanahy ela velona amin’ny faharatsiany!
16 Aza dia marin-doatra,
ary aza dia miseho ho hendry loatra:
ahoana no hitadiavanao hamono tena?
17 Aza dia sompatra loatra,
ary aza dia adala:
Ahoana no hitadiavanao ny ho faty alohan’ny fotoanao?
18 Tsara ny hitananao an’ity,
sy tsy hanaovanao mosalahy amin’irỳ;
fa ny matahotra an’Andriamanitra manalavitra ireo zavatra rehetra diso ohatra ireo.
19 Ny hendry, omen’ny fahendrena hery,
mihoatra noho ny an’ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
20 Fa tsy misy olombelona marina amin’ny tany,
izay manao ny tsara, ka tsy manotaakory.
21 Aza asianao raharaha loatra
izao teny lazaina rehetra izao;
fandrao dia renao manozona anao ny mpanomponao.
22 Satria fantatry ny fieritreretanao fa matetika
dia efa nanozona ny sasany koa ianao.
23 Hitako tamin’ny fahendrena, fa marina izany rehetra izany;
dia hoy aho: Ho hendry aho!
kanjo nitoetra lavitra ahy ny fahendrena.
24 Izay tonga dia lavitra
sady lalina dia lalina; ka zovy no mahatratra izany?
25 Nikezaka aho, ary ny foko nitady, hahalala, hamototra sy handalina
ny fahendrena aman’anton-javatra,
ary hitako fa fahaverezan-tsaina ny faharatsiana,
ary rediredy foana ny fitondran-tena adala.
26 Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana
ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony;
ary famatorana ny tanany;
izay matahotra an’Andriamanitra afa-mandositra azy;
fa ny mpanota kosa hosingorany.
27 Izao no hitako, hoy ny Mpitory teny,
tamin’ny andinihana ny zavatra tsirairay,
hahitana ny antony,
fa tsy tapaka mikatsaka izany ny fanahiko,
nefa tsy hitako, dia izao:
Nahita lehilahy iray tamin’ny arivo aho,
nefa tsy nahita vehivavy iray tamin’izany isa izany ihany kosa.
28 Fa jereo ange, izao no hitako:
Nataon’Andriamanitra mahitsy fo ny olona,
fa mamorona saim-petsy maro kosa izy ireo.