1 Nasiako raharaha tokoa izao rehetra izao
ary hitako tsara izao rehetra izao:
Eo an-tanan’Andriamanitra ny marina sy ny hendry
mbamin’ny asany rehetra;
tsy misy fantatry ny olombelona na ny fitiavana na ny fankahalana;
eo anoloany avokoa ny zavatra rehetra.
2 Na inona na inona tsy misy avaka ny mahazo ny olombelona rehetra;
sahala ny anjaran’ny marina sy ny ratsy,
ny tsara sady madio, sy ny tsy madio,
ny manao sorona sy ny tsy manao sorona;
izay manjò ny olona tsara fanahy ihany no manjò ny mpanota koa;
izay nianiana, tsy misy hafa amin’izay tsy sahy mianiana.
3 Zavatra ratsyanankiray amin’izay rehetra atao atỳ ambany masoandro
dia ny itovian’ny olombelona rehetra anjara;
ka noho izany dia feno hasomparana ny fon’ny zanak’olombelona.
ary ao am-pony mandritra ny andro iainana, ny hadalana.
Nony afaka izany, mankany amin’ny maty izy.
4 Fa raha anisan’ny velona, dia mbola misy fanantenana,
aleo amboa velona, toy izay liona maty.
5 Fa ny velona mahalala fa ho faty izy;
fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona,
ary tsy manan-tamby intsonyizy
fa hadino ny fahatsiarovana azy.
6 Levona sahady ny fitiavany,
sy ny fankahalany amam-pialonany;
ary tsy hanana anjara akory na oviana na oviana izy
amin’izay atao atỳ ambany masoandro intsony.
7 Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao,
ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao;
fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.
8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao;
ary tsy ho diso diloilo manitra ny lohanao.
9 Miadàna amin’izao fiainanao izao miaraka amin’ny vady tianao,
mandritra ny andro tsinontsinona rehetra iainanao
izay nomen’Andriamanitra anao atỳ ambany masoandro,
dia mandritra ny andro foana rehetra izay anao,
fa izany no anjaranao amin’ity fiainana ity,
sy amin’ny asa ataonao atỳ ambany masoandro.
10 Izay rehetra azon’ny tananao atao,
dia ataovy amin-kerim-po;
fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana,
na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.
3. Ny anjara
11 Nihodina aho, ary hitako atỳ ambany masoandro
fa ny fihazakazahana tsy an’ny faingan-tongotra;
na ny ady an’ny mahery fo
na ny hanina an’ny hendry
na ny harena an’ny mahalala
na ny tombon-tsoa an’ny mahay
fa samy voan’ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra.
12 Fa ny fotoanany aza tsy fantatry ny olombelona;
toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana,
sy toy ny vorona voan’ny fandrika,
tahaka azy ireo koa ny zanak’olombelona
dia voafadiditra amin’ny androm-pahoriana,
raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.
13 Izao koa no fahendrena hitako tatỳ ambany masoandro,
ka nataoko ho lehibe izy io.
14 Nisy tanàna kely anankiray vitsy mponina ao anatiny;
nalehan’ny mpanjaka mahery, nataony fahirano,
sy nananganany tilikambo avo hamelezana azy.
15 Fa nisy mahantra sy hendry kosa tao,
ka namonjy ny tanàna tamin’ny fahendreny.
Ary tsy mba nisy nahatsiaro an-dralehilahy mahantra akory ny olona
16 Ary hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery;
nefa hamavoin’ny olona ny fahendren’ny mahantra,
ary tsy henoina akory ny teniny.
17 Ny tenin’ny hendry tononina amim-piadanana dia henoina tsara,
mihoatra noho ny fitreron’ny mpanapaka eo afovoan’ny adala.
18 Aleo fahendrena, toy izay fitaovana enti-miady;
nefa mpanota iray monja dia mandrava soa betsaka.