Categories
Ohabolana

Ohabolana 13

Fahotana amin’ny vava

1 Ny zanaka hendry vavolombelon’ny fampianaran-drainy;

fa ny mpamazivazy tsy mihaino ny fananarana.

2 Ny vokatry ny vavan’ny olona, no itsentsefany ny soa;

fa ny irin’ny mpamadika dia ny hanaovana an-keriny.

3 Izay mahafehy ny vavany, miaro ny fanahiny;

fa izay fatra-piloa-bava kosa, mitady ny lozany.

4 Be faniriana ny kamo, fa tsy ho tanteraka,

fa ny fanirian’ny olo-mazoto kosa, ho tanteraka mahafa-po.

5 Ny marina mankahala ny teny mamitaka;

ny ratsy fanahy kosa mampahazo henatra sy fahafaham-baraka.

6 Ny fahamarinana miaro ny lalan’ny olo-marina;

ny faharatsiana kosa, mahatonga fandravana ny mpanota.

7 Misy mody manan-karena, nefa tsy manana inoninona;

misy mody mahantra, nefa manan-karem-be.

8 Ny harena dia avotra aina ho an’ny olona;

ny malahelo kosa tsy mandre akory izay fandrahonana.

9 Ny fahazavan’ny marina, mamiratra mahafinaritra;

fa ny jiron’ny ratsy fanahy kosa, mitsilopilopy ho faty.

10 Fifandirana no hany ateraky ny avonavona;

fa izay mety toroana no misy fahendrena.

11 Ny harena azo tsy an-drariny, mihalevona;

fa ny manangona azy tsikelikely no mampitombo azy.

12 Ny fanantenana ela fiavy, mankarary ny fo;

fa ny faniriana tanteraka kosa, dia hazon’aina.

13 Manary tena izay manamavo ny teny;

fa hahazo valisoa kosa, izay manaja ny didy.

14 Loharanon’aina ny fampianaran’ny hendry;

mba ho afaka amin’ny fandriky ny fahafatesana.

15 Vokatry ny saina mandroso fianarana, dia mahate-hotia;

fa ny lalan’ny mpamadika, dia sarotra.

16 Ny olo-marina rehetra miasa amim-piheverana;

fa ny adala kosa manampatra ny hadalany.

17 Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza,

fa ny iraka mahatoky kosa, ahazoam-panasitranana.

18 Fahoriana aman-kenatra no an’izay mandà famaizana;

fa omem-boninahitra kosa, izay mandray fananarana.

19 Ny faniriana tanteraka, maharavoravo ny fo;

ary ny miala amin’ny ratsy mahatsiravina ny adala.

20 Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry;

fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.

21 Ny mpanota enjehin-doza;

ny marina kosa valian-tsoa.

22 Ny mpanao soa mamela lova ho an’ny zanaky ny zanany;

fa ny haren’ny mpanota kosa, voatendry ho an’ny marina.

23 Ny tany voasan’ny mahantra, ahazoan-kanina be;

ny sasany kosa ringana, noho ny tsy fahamarinany.

24 Tsy tia anaka izay mitsitsy ny tsora-kazony;

fa ny tia azy, mamay azy malaky.

25 Ny marina mihinana sady afa-po tsara;

fa ny kibon’ny ratsy fanahy kosa zoin’ny tsy ampy lava.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *