Fiteny sy fisainana
1 Izay miolonolona irery mitady ny mahafa-po ny filàny ihany,
ka mahatezitra azy avokoa izay hevitra mety rehetra.
2 Tsy mba ny hahazo fahalalana no sitraky ny adala
fa ny haneho ny heviny ihany.
3 Raha tonga ny ratsy fanahy, tonga koa ny fanalam-baraka,
ary miaraka amin’ny henatra, tonga koa ny fanalam-baraka.
4 Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona;
rano tondraka ny loharanon’ny fahendrena.
5 Tsy mety raha ny ratsy fanahy indray no asian-draharaha,
mba handresy ny marina amin’ny fitsarana.
6 Miditra amin’ny fifandirana ny molotry ny adala;
ary mihantsy fanalam-baraka, ny vavany.
7 Fanimbana ho azy ny vavan’ny adala;
ary fandrika amin’ny fanahiny ny molony.
8 Hanim-py ny tenin’ny mpitati-bolana,
ka mikorotsaka hatrany anatin’ny kibo.
9 Izay ketraka amin’ny asany,
dia rahalahin’izay efa mandroso ho amin’ny fahaverezana.
10 Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy;
ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
11 Ny haren’ny mpanana no vohiny mafy,
araka ny heviny dia manda avo izany.
12 Misandratra ny fon’ny olona alohan’ny faharavàny,
fa ny fanetren-tena kosa, mialoha ny voninahitra.
13 Izay mamaly teny mbola tsy nihaino,
dia hadalana sy henatra ho azy izany.
14 Ny sain’ny olona no manohana azy raha marary;
fa raha ny sainy no kivy, iza indray no hanarina azy?
15 Ny fo manan-tsaina, mahazo ny fahaizana,
ary ny sofin’ny hendry mitady ny fahaizana.
16 Ny fanatitraomen’ny olona no mahalalaka ny lalany,
sy mampiditra azy eo amin’ny lehibe.
17 Izay mandahatra aloha toa marina;
fa tamy ny an-daniny, dia dinihina ny ady.
18 Ny filokana mampitsahatra ny fifandirana,
sy mampisaraka ny samy mahery.
19 Manoatra ny tanàna mimanda, ny rahalahy miady amin’ny rahalahiny;
ary tahaka ny hidin’ny lapa ny fifandiran’izy ireo.
20 Ny vokatry ny vavan’ny olona no iveloman’ny vatany,
ary ny vokatry ny molony no ivokisany.
21 Manam-pahefana hahafaty sy hamelona ny lela;
ka araka izay fidiny dia hohanin’ny olona ny voany.
22 Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana,
tombon-tsoa azony tamin’i Iaveh izany.
23 Fitarainana no fitenin’ny mahantra,
ka teny henjana no avalin’ny mpanana.
24 Ny olona maro sakaiza, hahazo loza amin’ireny;
fa mba misy izay sakaiza mifikitra noho ny rahalahy.