Ataovy mifanendrika amin’ny fahendrena ny atao
1 Toy ny oram-panala fahavaratra sy ranonorana amin’ny taom-pijinjana,
no tsy iendrehan’ny voninahitra ho an’ny adala.
2 Toy ny fitsoatsoaky ny fody, sy fanidintsidin’ny sidintsidina,
no tsy fihàtran’ny ozonozom-poana.
3 Ny karavasy ho an’ny soavaly, ny lamboridy ho an’ny ampondra,
ary ny tsora-kazo ho an’ny lamosin’ny adala.
4 Aza mamaly ny adala araka ny hadalany,
fandrao dia manahaka azy koa ianao.
5 Valio araka ny hadalany ny adala,
fandrao dia manao azy ho hendry izy.
6 Manapaka ny tongony sy misotro tsy fahamarinana,
izay mampitondra teny ny adala.
7 Esory amin’ny mandringa ny tongony,
sy ny oha-teny eo am-bavan’ny adala.
8 Toy ny mamehy vato amin’ny antsamotady,
ny manome voninahitra ny adala.
9 Toy ny tsilomilentika amin’ny tanan’ny mamo,
ny oha-teny eo am-bavan’ny adala.
10 Toy ny mpandefa tsipìka mandratra ny olona rehetra,
ny manakarama ny adala sy ny mpandalo.
11 Toy ny amboa miverina amin’ny loany,
toy izany ny adala miverina amin’ny hadalany.
12 Raha mahita olona manao azy ho hendry ianao,
ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.
13 Hoy ny kamo: «Misy liona any an-dalam-be;
misy liona atsy amin’ny arabe.»
14 Ny varavarana mihodina eo amin’ny saviliny,
toy izany koa ny kamo mihodina eo amin’ny fandriany.
15 Mangaron-dovia amin’ny tanany ny kamo;
ary manahirana azy ny hampakatra izany eo am-bavany.
16 Ny kamo manao ny tenany ho hendry,
mihoatra ny mpihevitra fitomahira-tsaina.
17 Toy ny olona misambotra amboa amin’ny sofiny,
ny mpandalo misafoaka amin’ny adin’ny hafa.
18 Toy ny mpisafoaka mandefa longy mirehitra afo,
sy zana-tsipìka amam-pahafatesana,
19 ny olona izay efa namitaka ny namany,
ka manao hoe: «Vosibositra fotsiny no nataoko.»
20 Raha tsy eo ny kitay, maty ny afo:
halaviro ny mpitati-bolana, mitsahatra ny fanditra.
21 Ny arina mampisy vainafo, ny kitay mampisy afo,
ny olona tia ady kosa mamelona fifandirana.
22 Toy ny hanim-py ny tenin’ny mpitati-bolana,
ka mikorotsaka hatrany anatin’ny tsinay.
23 Vilany tany mipetaka taim-bolafotsy,
ny molotra maimay miaraka amin’ny fo ratsy.
24 Mihatsaravelatsihy amin’ny vavany ny mpankahala,
kanjo manafim-pitaka ao anatiny;
25 koa aza matoky azy raha manao feo malefaka izy,
fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
26 Azony afenina ihany amin’ny fihatsarambelatsihiny ny fankahalany,
nefa mbola hiharihary eo amin’ny fivoriana ny faharatsiany.
27 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao;
ary izay manakodia vato no hikodiavany.
28 Mankahala izay olona simbany ny lela mandainga,
ary mampidi-doza ny vava mandoka.