Categories
Ohabolana

Ohabolana 3

Fomba hahazoana ny Fahendrena

1 Anaka, aza manadino ny fanoroako,

ary tanonao am-ponao ny didiko.

2 Fa izany no hahazoanao andro lava

aman-taona hiainana sy hiadanana.

3 Aoka tsy hiala aminao ny famindram-po amam-pahamarinana,

fa ataovy fehivozona izany ary sokiro ao amin’ny latabatry ny fonao.

4 Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina ianao,

eo imason’Andriamanitra sy ny olombelona.

5 Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra

fa aza miankina amin’izay sainao ihany.

6 Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra,

dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.

7 Aza manao anao ho hendry eo imasonao,

fa matahora an’i Iaveh ary mialà amin’ny ratsy.

8 Fahasalamana ho an’ny vatanao izany,

ary famelombelomana ho an’ny taolanao,

9 Manomeza voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanananao,

sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra.

10 Dia ho feno hipokipoka ny fitoeram-bokatrao,

ary hihoatra ny fandomana azy ny divainao vaovao.

11 Anaka, aza manamavo ny fananaran’i Iaveh,

ary aza mankahala ny famaizana ataony.

12 Fa izay tian’i Iaveh no faiziny,

toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka malalany.

Hafalian’ny olon-kendry

13 Sambatra ny olona nahita ny fahendrena,

sy izay olona nahazo ny fahalalana.

14 Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy;

aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio.

15 Sarobidy noho ny voahangy izy,

ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra.

16 Andro lavaiainana no eo an-tanany ankavanana,

harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia.

17 Lala-mahafinaritra ny lalany,

fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra.

18 Hazon’aina izy ho an’izay mambabo azy,

ary sambatra izay mifikitra aminy.

19 Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany,

ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.

20 Fahaizany no nivakian’ny hantsana,

sy ampitetevan’ny rahona ny ando.

21 Anaka, aoka tsy hiala eo imasonao

fa tano ny fahendrena amam-pisainana;

22 fa aina ho an’ny fanahinao izany;

ary haingo ho an’ny vozonao.

23 Dia hizo-dalana aman-toky ianao;

ary tsy ho tafintohina ny tongotrao.

24 Mandry ianao tsy hanan-tahotra

tafandry indray ho mamy tori-maso.

25 Tsy hisy hatahorana na ny fampatahorana tonga tampoka,

na ny famelezana avy amin’ny ratsy fanahy.

26 Satria i Iaveh no ho tokinao;

ary hiaro ny tongotrao amin’ny fandrika rehetra izy.

27 Aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany,

raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.

28 Aza manao amin’ny namanao hoe: «Mandehana ka miverena;

rahampitso aho manome», raha azonao atao ny manome eo noho eo.

29 Aza misaina hanisy ratsy ny namanao,

rehefa mitoetra mibonaika eo anilanao izy.

30 Aza mifanditra foana aman’olona,

raha tsy nahavita ratsy taminao izy.

31 Aza mialona izay olona mpanao an-keriny,

na mifidy izay lalana hombàny kely akory;

32 satria halan’i Iaveh ny olon-dratsy fanahy

fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra.

33 Ny ozon’i Iaveh dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy;

fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano.

34 Mananihany izay mpananihany Izy;

ary manome fahasoavana izay manetry tena.

35 Anjaran’ny hendry ny voninahitra;

fa ny adala kosa, fahafaham-baraka no anjarany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *