Noravana ny ôtely fanompoan-tsampin’i Israely
1 Voaloboka mirobona erỳ i Israely,
efa mavesatry ny voany.
Araka ny habetsahan’ny voany
no ampitomboany ny ôteliny;
araka ny hatsaran’ny taniny,
no hatsaran’ny tsangam-bato nataony.
2 Mpihatsaravelatsihy ny fony;
ka efa hivesatra ny valin’izany izy.
Hanjera ny ôteliny izy,
handrava ny tsangam-batony.
3 Tsy ho ela no hilazany hoe: Tsy mana-mpanjaka isika,
noho isika tsy natahotra an’i Iaveh;
fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
4 Hanonona teny izy ireo,
manao fianianana tsy misy antony,
sy mandraikitra fanekena;
ary ny fitsarana kosa hiposaka toy ny fivelatry ny pavôty
eny amin’ny saha voasoritsoritra.
5 Noho ny ombivavy kely ao Betavena
no atahoran’ny mponina ao Samaria,
satria ny vahoakany misaona ny sampiny,
ary ny mpisorona mangovitra noho ny aminy,
noho ny voninahiny, fa efa niala taminy.
6 Hoentina any Asiria koa izy,
hatao fanatitra ho an’ny mpanjaka mpamaly;
ho azon’ny henatra i Efraima,
hangaihay noho ny hevitra voakasany i Israely.
7 Levona i Samaria;
ny mpanjakany dia toy ny tapak’ahitra
eo ambonin’ny rano.
8 Ho rava ny fitoerana avon’i Avena,
izay fahotan’i Israely;
handadian’ny tsilo amam-boarointsaka ny ôteliny.
Ny tendrombohitra hilazany hoe: «Saròny izahay!»
Famelezana an’i Gabaà
9 Efa nanota hatramin’ny andro, fony tany Gabaà, ianao, ry Israely;
mikiribiby aman-keloka izy ireo.
Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà
ny ady voalaza hataoamin’ny zanaky ny faharatsiana?
10 Hofaizako araka ny sitrapoko izy ireo:
ary ho tafangona hamely azy ny firenena,
rehefa hafatotra amin’ny fahotany roaizy ireo.
Fanambanana sy fiantsoana hibebaka
11 I Efraima dia ombivavy kely tsara folaka,
finaritra ny hively vary.
Izaho kosa hanisy jioga ny vozony tsara tarehy;
i Efraima hampitarihiko kodiarana
i Jodà hiasa;
i Jakôba hitarika fihogo famakiam-bainga.
12 Afafazo araka ny fahamarinana ny voanareo;
ataovy araka ny famindram-po ny fijinjànareo;
miasà tany vao ho anareo;
fa efa fotoana hitadiavana an’i Iaveh izao,
mandra-piavinyhandatsaka ny fahamarinana ao aminareo.
Izay no izy!
13 Fa ianareo niasa ny faharatsiana,
nijinja ny faharatsiana,
nihinana ny vokatry ny lainga.
Nitoky tamin’ny lalanao ianao,
sy tamin’ny hamaroan’ny lehilahy maherinao.
14 Indro velona ny tabataba ao amin’ny vahoakanao,
ary horavana avokoa ny tanàna mimandanao,
tahaka ny nandravan’i Salmanàan’i Beta-Arbela,
tamin’ny andron’ny ady
izay nahatorotoro ny reniny teo ambonin’ny zanany.
15 Izany no nataon’i Betela taminareo,
noho ny haratsianareo loza loatra.
Vao tonga ny maraina dia levona teo ny mpanjakan’i Israely.