Mandiso lalana ny olona ny mpisorona sy ny mpifehy ary ny mpanjaka
1 Mandrenesa izao, ry mpisorona;
mihainoa tsara, ry taranak’i Israely;
manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka;
fa ianareo no hamoahana ny teny fitsarana,
satria ianareo no efa fandrikatao Masfà
sy fandrika harato voavelatra ao ambonin’i Tabôra.
2 Nataon’izy ireo mihoa-pampana ny fahadisoany,
tamin’ny sorona nataony;
fa ho famaizana anareo rehetra kosa Aho!
3 Mahalala an’i Efraima Aho
ary tsy takona amiko i Israely;
ary ianao, ry Efraima, nijangajanga,
ary i Israely nandoto tena.
4 Tsy avelan’ny asa nataony
hiverina amin’Andriamanitra izy ireo,
fa saim-pijangajangana no eo afovoany,
ka tsy mahalala an’i Iaveh izy.
5 Ny avonavon’i Israely no vavolombelona manameloka azy;
ho lavon’ny helony i Israely sy i Efraima;
hiara-davo amin’ireo koa i Jodà.
6 Hitondra ny ombiny aman’ondriny izy ireo,
handeha hitady an’i Iaveh,
nefa tsy hahita azy, fa nisaraka tamin’ireo izy.
7 Namitaka an’i Iaveh izy ireo,
fa niteraka zaza hafa firenena;
ary ankehitriny ho levon’ny volana ambony izy
mbamin’ny ananany.
Ady an-trano
8 Tsofyao Gabaà ny anjomara;
ary ao Ramàny trômpetra;
miantsoavonjy taitra ao Betavena!
Mitandrema ianao, ry Benjamina!
9 Horavana i Efraima amin’ny andro famaizana;
ny amin’ny hanjò ny fokon’i Israely
zava-tsy maintsy tò no ambarako.
10 Ireo mpifehy an’i Jodà
efa toy ny mpamindra faritra;
hampidiniko amin’izy ireo
ny fahatezerako toy ny rano.
11 ampahorîna sy torotoroin’ny fitsarana i Efraima
satria ninia nanaraka ny sampy tsinontsinona izy.
12 Koa tahaka ny kalalao Aho amin’i Efraima,
ary tahaka ny fahalòvana amin’ny taranak’i Jodà.
Very maina ny fifanekena amin’ny vahiny
13 Rehefa nahita ny aretiny i Efraima,
ary i Jodà ny ratrany,
dia nankany amin’i Asora i Efraima
ary naniraka ho any amin’ny mpanjaka anankiray izy
hamaly ny ratsy natao taminy;
tsy ho afa-manasitrana anareo anefa izany mpanjaka izany
ka tsy ho afaka aminareo ny ferinareo.
14 Fa ho tahaka ny liona Aho, amin’i Efraima,
ary ho tahaka ny liona tanora amin’ny taranak’i Jodà.
Izaho dia Izaho no hamiravira, dia lasa mandeha;
hitondra ny rembiko, ka tsy hisy haharombaka izany amiko.
Ilaozan’i Iaveh ny vahoakany
15 Handeha Aho hody any amin’ny fonenako,
mandra-piaikiny ny mahameloka azy,
ka hitadiavany ny Tavako.
Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.