Categories
Osea

Osea 6

Miverina amin’i Iaveh i Israely fa tsy maharitra

1 Andeha isika hiverina amin’i Iaveh;

2 fa Izy no namiravira, Izy no hahasitrana antsika;

mikapoka Izy, nefa hamehy ny ferintsika koa.

3 Rehefa afaka indroa androdia hataony velona indray isika;

amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika,

ka ho velona eo anatrehany.

Mahalalà isika, mikeleza aina

hahalala an’i Iaveh isika.

Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany;

ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona

toy ny fara orana manamando ny tany.

4 Inona no hataoko aminao, ry Efraima?

Inona no hataoko aminao, ry Jodà?

Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina,

tahaka ny ando amin’ny maraina ka levona vetivety.

5 Noho izany nataoko potika, tamin’ny tenin’ny mpaminany,

novonoiko tamin’ny tenin’ny vavako izy ireo;

toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.

6 Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona;

ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.

Helok’i Israely taloha sy ankehitriny

7 Nivadika ny fanekena, tahaka an’i Adama, anefa izy ireo;

fa nivadika tamiko teo.

8 I Galaada dia tanànan’ny mpanao ratsy,

sady isehoan’ny mariky ny ranalatsaka.

9 Mova tsy ny andian-jiolahy manao otrika,

ny andia-mpisorona mamono olona,

eo amin’ny lalana mankany Sikema;

fa mahavita heloka be vava izy ireo.

10 Zava-mahatsiravina no hitako teo amin’ny taranak’i Israely;

fa ao no ijangajangan’i Efraima,

sy andotoan’i Israely tena.

11 Ianao koa, ry Jodà, misy fijinjana voatendry ho anao,

raha avy izay hamoriako ny vahoakako avy amin’ny fahababoana.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *