1 Nahoana, ry Iaveh, no mijanonaeny lavitra eny Ianao,
sy miery amin’ny andron’ny fahoriana?
2 Raha mirehareha ny ratsy fanahy dia ny mahantra no levona;
izy ireo dia voan’ny teti-dratsy noforonon’io.
3 Mirehareha amin’ny fitsiriritany ny ratsy fanahy;
manamavo an’i Iaveh ny mpandroba mandoza.
4 Hoy ny ratsy fanahy, amin’ny fianjonanjonany: Tsy mamay izy!
Tsy misy Andriamanitra. Izany no totalin-keviny.
5 Fa ambinina hatrany hatrany izy, amin’izay alehany.
Ny fitsaranao dia avo loatra ka tsy ahoany;
ny mpandrafy azy, tsofiny indray mandeha dia mihahaka.
6 Hoy izy anakampony: Tsy hangozohozo aho,
voafefy tsy ho azon-doza aho na oviana na oviana.
7 Feno ozona sy fitaka amam-panaovana an-keriny ny vavany;
hasomparana sy tsy fahamarinana no ao ambany lelany.
8 Manao otrika eo akaikin’ny tanàna izy;
mamono ny tsy manan-tsiny ao amin’ny fitoerany an-katakonana.
Mitsikilo ny olona tsy manan-kiaro ny masony;
9 mitily ao amin’ny fitoerana miafina toy ny liona ao
anaty hazo milobolobo izy;
mitily izy hisovoka ny malahelo;
samboriny ny malahelo, taominy ho ao amin’ny fandrika haratony.
10 Miondrika izy, mifitsaka,
dia lavo eo amin’ny hohony ny ory.
11 Hoy izy, anakampony: «Nanadino Andriamanitra;
efa nanarona ny Tavany Izy ka tsy mahita na inona na inona, na oviana na oviana!»
12 Mitsangàna, ry Iaveh, asandrato ny tananao ry Andriamanitra!
Aza manadino ny ampahorîna
13 Nahoana ny ratsy fanahy no dia mamingavinga
an’Andriamanitra?
ahoana no anaovany anakam-po hoe: Tsy mamay Ianao?
14 Nahita anefa Ianao, fa nijery ny fahoriana amam-pijaliana,
mba hiandraiketanao ny momba azy,
Ianao no iankinan’ny malahelo;
mamonjy ny kamboty Ianao.
15 Tapaho ny sandrin’ny ratsy fanahy;
ny tsy mpivavaka – raha karohinao ny helony,
tsy ho hitanao va izany?
16 I Iaveh no mpanjaka mandrakizay doria,
ho voafongotra eo amin’ny taniny ny firenena.
17 Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh;
mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,
18 mba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny hampahorina,
ka hitsahatra tsy hampitahotra intsony, ny olombelona
nalaina tamin’ny tany.