Categories
Salamo

Salamo 116

Fisaorana sy fankasitrahana

1 Tiako Izy, satria ren’i Iaveh,

ny feoko, ny fitarainako.

2 Fa nanongilan-tsofina tamiko Izy,

ka hiantso Azy aho, ny andro rehetra hiainako.

3 Efa nihodidina tamiko ny fatoran’ny fahafatesana,

efa nahazo ahy ny tebitebin’ny Seoly;

efa nianjady tamiko ny fanahiana amam-pahoriana,

4 fa niantso ny Anaran’i Iaveh aho, nanao hoe:

«Iaveh ô, vonjeo ny fanahiko!»

5 Mamindra fo sy marina i Iaveh,

miantra ny Andriamanitsika.

6 Miaro ny osa i Iaveh;

ory aho ka novonjeny.

7 Ry fanahiko ô, miverena amin’ny fitsaharanao,

fa i Iaveh manototra soa anao.

8 Eny, Ianao efa nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana,

ny masoko tamin’ny ranomaso,

ny tongotro tamin’ny halavoana.

9 Izaho mbola handeha eo anatrehan’i Iaveh

eo amin’ny tanin’ny velona.

10 Matoky aho, na dia milaza hoe aza:

«Fara fahoriana aho ity!»

11 Hoy aho, tao anatin’ny fahakiviako:

«Mpandainga avokoa ny olombelona.»

12 Inona no havaliko an’i Iaveh,

noho ny soa rehetra nataony tamiko?

13 Hanainga ny kôpin’ny famonjena aho,

ka hiantso ny Anaran’i Iaveh.

14 Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho,

eo anatrehan’ny vahoakany rehetra.

15 Zava-tsarobidy eo imason’i Iaveh

ny fahafatesan’ny mpino azy.

16 – Endrey! ry Iaveh ô, satria mpanomponao aho;

mpanomponao, zanaky ny ankizy vavinao,

ka dia novahanao ny fatorako.

17 Hanatitra ny sorom-pisaorana aminao aho,

ary hiantso ny Anaran’i Iaveh.

18 Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho,

eo anatrehan’ny vahoakany rehetra,

19 eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh,

dia eo anatin’ny mandanao, ry Jerosalema.

Aleloia!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *