Categories
Salamo

Salamo 118

Raha vao miainga ny fivavahana mandeha

1 Miderà an’i Iaveh, fa tsara fo Izy,

fa mandrakizay ny famindram-pony!

2 Aoka i Israely hilaza hoe:

«Eny, mandrakizay ny famindram-pony!»

3 Aoka ny taranak’i Aarôna hilaza hoe:

«Eny, mandrakizay ny famindram-pony!»

4 Aoka izay matahotra an’i Iaveh hilaza hoe:

«Eny, mandrakizay ny famindram-pony!»

5 Niantso an’i Iaveh, tao anatin’ny fahoriako aho;

ary namaly ahy i Iaveh, ka nampahalalaka ahy.

6 I Iaveh no miandany amiko

ka tsy matahotra na inona na inona aho;

hahefa inona amiko izay olombelona?

7 I Iaveh no miandany amiko, eo amin’izay mamonjy ahy,

dia hahita ny faharavan’ireo mankahala ahy aho.

8 Aleo mitady fialofana amin’i Iaveh,

toy izay mitoky amin’olombelona.

9 Aleo mitady fialofana amin’i Iaveh,

toy izay mitoky amin’ny mpanapaka.

10 Ny firenena rehetra nitangorona tamiko;

izaho kosa mandripaka azy, amin’ny Anaran’i Iaveh.

11 Izy ireo nitangorona tamiko sy nanarona ahy,

izaho kosa mandripaka azy, amin’ny Anaran’i Iaveh.

12 Nitangorona tamiko tahaka ny renitantely izy ireo;

nefa maty toy ny afon-tsilo:

izaho kosa mandripaka azy amin’ny Anaran’i Iaveh.

13 Ianao nandronjina ahy mafy handavo ahy,

fa i Iaveh kosa namonjy ahy.

14 I Iaveh no heriko sy fihirako;

Izy no famonjena ahy.

15 Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako

ao an-dain’ny marina.

Fa naneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Iaveh.

16 Tsy ho faty aho fa ho velona,

ka hitory ny asan’i Iaveh.

17 Tsy ho faty aho fa ho velona,

ka hitory ny asan’i Iaveh.

18 Nofaizin’i Iaveh mafy aho,

nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana.

19 Amohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho,

mba hidirako, sy hiderako an’i Iaveh.

20 Ity no vavahadin’i Iaveh,

ny marina no mahazo miditra eo.

21 Hankalaza Anao aho fa namaly vavaka ahy Ianao,

ka efa famonjena ahy Ianao.

22 Ny vato narian’ny mpanorina,

dia tonga fehizoro.

23 Asa vitan’i Iaveh izany,

ka zava-mahagaga eo imasontsika.

24 Ity no andro nataon’i Iaveh,

mifalia sy miravoravoa isika.

25 Ry Iaveh ô, omeo ny famonjena!

Ry Iaveh ô, omeo ny fanambinana!

26 Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’i Iaveh!

Mitso-drano anareo, avy ao an-tranon’i Iaveh izahay!

27 Andriamanitra i Iaveh; mampamirapiratra ny fahazavana amintsika Izy.

Rohizo kofehy ny sorona,

hatreo amin’ny tandroky ny ôtely.

28 Ianao no Andriamanitro, ka hidera Anao aho;

Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.

29 Mankalazà an’i Iaveh fa tsara fo Izy,

mandrakizay ny famindram-pony!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *