Ireo fahavalon’ny fiadanana
1 Fihirana fiakarana
Tao anatin’ny fahoriako nitaraina
tamin’i Iaveh aho, dia nohenoiny.
2 Iaveh ô, vonjeo ny fanahiko amin’ny molotra mandainga,
amin’ny vava fetsy ratsy.
3 Homena inonasy hahazo vokatra inona ianao,
ry lela mpamadika?
4 Zana-tsipìka maranitry ny Mahery,
mbamin’ny vain’afon’anjavidy.
5 Endrey, ity manjò ahy mitoetra eto amin’i Meseka,
sy monina atỳ an-dain’i Sedara!
6 Ela loatra no niarahako nitoetra
tamin’izay mankahala ny fivavahana.
7 Olona tia fivavahana aho, nefa nony niteny amin’izay ireo
dia ny ady no alehan’ny sainy.