Vavaky ny tsy ambinina
1 Fihirana fiakarana.
Miandrandra Anao ny masoko,
dia Ianao izay mitoetra any an-danitra.
2 Toy ny ibanjinan’ny mason’ny ankizy lahy
ny tanan’ny tompo lahiny,
sy ny mason’ny ankizy vavy
ny tanan’ny tompo vaviny,
no ibanjinan’ny masontsika an’i Iaveh Andriamanitsika,
mandra-pamîndrany fony amintsika.
3 Mamindrà fo aminay, ry Iaveh ô, mamindrà fo aminay,
fa efa tototry ny faniratsirana izaitsizy izahay.
4 Efa nanototra ny fanahinay izaitsizy,
ny famingavingan’ny mpirehareha, ny fanevatevan’ny mpiavonavona.