Ilay Mpamonjy an’i Israely
1 Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida.
Raha tsy nomba antsika i Iaveh,
– aoka i Israely hitory izany, –
2 raha tsy nomba antsika i Iaveh,
fony nitsangan-kamely antsika ny olona…
3 ho nateliny velona mihitsy isika,
raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
4 ho natelin’ny rano isika,
ho nandeha teo ambonin’ny fanahintsika ny riaka be.
5 Tao ambonin’ny fanahintsika
no ho nandehanan’ny rano mirimorimo.
6 Hisaorana anie i Iaveh,
fa tsy natolony tamin’ny nifin’ireo isika.
7 Afaka ny fanahintsika toy ny fody nitsoaka
tamin’ny fandrika haraton’ny mpihaza:
tapaka ny fandrika dia afaka isika.
8 Ny famonjena antsika dia amin’ny Anaran’i Iaveh,
izay nanao ny lanitra sy ny tany.