Antsa fiderana
Aleloia!
1 Miderà ny Anaran’i Iaveh,
Miderà Azy ianareo mpanompon’i Iaveh,
2 ianareo manao fanompoana ao an-tranon’i Iaveh,
eo an-kianjan’ny tranon’ny Andriamanitsika.
3 Miderà an’i Iaveh fa tsara i Iaveh,
mihirà ny Anarany amin’ny harpa, fa mamy tanteraka.
4 Fa i Iaveh efa nifidy an’i Jakôba ho Azy,
sy an’i Israely ho lovany.
5 Eny, fantatro, lehibe i Iaveh,
ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
6 Manao izay tiany rehetra i Iaveh,
eny an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany,
any an-dranomasina sy any amin’ny hantsana rehetra.
7 Mampiakatra ny zavona avy amin’ny faran’ny tany izy;
mandefa ny tselatra aman-dranon’orana,
mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany.
8 Namono ny voalohan-terak’i Ejipta Izy fahiny,
hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby.
9 Naneho famantarana amam-pahagagana Izy,
teo afovoanao, ry Ejipta,
namelezany an’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra.
10 Firenena maro no nasiany,
ary mpanjaka mahery no novonoiny:
11 i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana,
i Oga mpanjakan’i Basàna,
mbamin’ny mpanjaka rehetra tany Kanaana,
12 ka natolony ho lova ny tanin’ireo,
dia ho lovan’i Israely vahoakany.
13 Iaveh ô, maharitra mandrakizay ny Anaranao:
Iaveh ô, maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby
ny fahatsiarovana Anao.
14 Fa manome rariny ny vahoakany i Iaveh,
ary miantra ny mpanompony Izy.
15 Ny sampin’ny firenena dia volafotsy amam-bolamena,
asan-tanan’olombelona.
16 Manam-bava fa tsy miteny izy;
mana-maso fa tsy mahita;
17 manan-tsofina fa tsy mahare izy,
tsy misy fofon’aina akory aza ny vavany.
18 Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy,
na iza na iza mitoky aminy!
19 Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Israely!
Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Aarôna!
20 Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Levì!
Misaora an’i Iaveh, ianareo matahotra an’i Iaveh!
21 Hisaorana avy ao Siôna anie i Iaveh,
izay mitoetra ao Jerosalema!
Aleloia!