Categories
Salamo

Salamo 140

Hanoherana ny ratsy fanahy

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.

2 Iaveh ô, afaho amin’ny olon-dratsy aho,

arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho.

3 Izay mieritreritra hevitra ratsy ao am-pony,

izay manangana ady amiko lalandava;

4 izay mandranitra ny lelany toy ny menarana,

sady misy poizin’aspika ao ambany molony.

– Selà

5 Iaveh ô, ambeno amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho,

arovy amin’ny olona mpanao an-keriny aho,

izay mitetika ny hanafintohina ahy.

6 Misy mpiavonavona mamela-pandrika harato hamandrihana ahy;

mametra-pandrika harato manaraka ny lalan-kalehako;

ary manao otrika hamelezana ahy.

– Selà

7 Hoy aho amin’i Iaveh: «Andriamanitra Ianao,»

henoy ny feon’ny fitarainako, ry Iaveh!

8 Iaveh Tompo ô, Mpamonjiko mahery,

manarona ny lohakoamin’ny andro fiadiana Ianao.

9 Ry Iaveh, aza tanterahinao ny fanirian’ny ratsy fanahy,

aza avela hahomby ny hevi-dratsiny;

dia ireharehany loatra izany.

– Selà

10 Ny lohan’ireo izay manemitra ahy anie,

no hianjeran’ny ratsy tononin’ny molony.

11 Aoka hanintsanana vainafo mivaivay eo ambonin’izy ireo!

Havarin’Andriamanitra any amin’ny afo anie izy,

any amin’ny hantsana tsy ho azony ialana intsony!

12 Tsy hambinina ny mpanendrikendrika eto ambonin’ny tany,

ary hozoin-doza, tsy hamindrana fo, ny mpanao an-keriny.

13 Fantatro fa omen’i Iaveh hitsiny ny fadiranovana,

ary omeny rariny ny mahantra.

14 Eny, hankalaza ny Anaranao ny marina,

ary honina eo anatrehan’ny Tavanao ny olo-mahitsy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *