Vavak’olona enjehina
1 Fihirana nataon’i Davida: Fony izy tao amin’ilay zohy. Fivavahana.
2 Mitaraina amin’i Iaveh amin’ny feoko aho,
mitalaho amin’i Iaveh amin’ny feoko:
3 Mamboraka eo anatrehany ny fitarainako aho,
mamosaka eo anatrehany ny fahoriako.
4 Raha reraka ato anatiko ny fanahiko,
dia fantatrao ny lalako,
fantatrao fa any an-dalana izorako,
amelaran’ireny fandrika hamelezana ahy.
5 Topazo maso eo ankavanana ka zahao:
tsy misy mahalala ahy akory;
ny fialofako tsy misy velively,
tsy ahoan’ny olona akory ny aiko.
6 Mitaraina aminao aho, ry Iaveh,
hoy aho: «Ianao no fialofako,
anjarako eo amin’ny tanin’ny velona.»
7 Atongilano ny sofinao amin’ny fitarainako,
fa fadiranovana izaitsizy aho,
afaho amin’ireo manenjika ahy aho,
fa mahery noho izaho izy ireo.
8 Esory amin’ity tranomaizina ity ny fanahiko,
mba hankalazako ny Anaranao,
hahazo voninahitra miaraka amiko ny marina,
noho ny nanasoavanao ahy.