Categories
Salamo

Salamo 143

Fitalahoana raha voa

1 Salamon’i Davida.

Iaveh ô, henoy ny fivavahako;

atongilano ny sofinao amin’ny fitalahoako;

valio vavaka aho, amin’ny fahitsianao amam-pahamarinanao.

2 Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao amin’ny fitsarana,

fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3 Mitady ny aiko ny fahavalo,

manitsaka ny aiko amin’ny tany izy;

asesiny ao amin’ny fitoerana maizina aho,

mova tsy olona efa maty ela!

4 Reraka ny fanahiko ato amiko,

mitebiteby ny foko ato an-kiboko.

5 Heveriko ny andro taloha,

sainiko ny asanao rehetra,

eretiko ny asan-tananao.

6 Mananty tanan-droa aminao aho,

ka maniry Anao, toy ny tany mangentana, ny fanahiko.

– Selà

7 Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh,

fa reraka eo ihany ny fanahiko;

aza manafina ny Tavanao amiko,

fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.

8 ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho,

fa Ianao no itokiako;

atoroy ny lalana tokony halehako aho,

fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.

9 Afaho amin’ny fahavaloko aho, ry Iaveh,

fa ao aminao no ialofako.

10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho

fa Ianao no Andriamanitro.

Ny fanahinao tsara anie hitarika ahy,

eo amin’ny lala-mahitsy.

11 Iaveh ô, velomy aho, noho ny Anaranao,

esory amin’ny fahoriana ny fanahiko, noho ny fahamarinanao.

12 Fongory ny fahavaloko, noho ny hatsaram-ponao;

ary aringano avokoa izay mpampahory ahy,

fa mpanomponao aho.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *