Categories
Salamo

Salamo 144

Fangatahana fandresena

1 Nataon’i Davida.

Hisaorana anie i Iaveh Vatolampiko,

izay nampianatra ny tanako hiady,

ary ny rantsan-tanako hiantafika.

2 Mpanao soa ahy aman-trano mimandako,

fialofako avo ama-mpanafaka ahy,

ampingako ama-mpialofako,

izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!

3 Iaveh ô, inona moa ny olombelona no mba heverinao,

ny zanak’olombelona, no mba ahìnao?

4 Tahaka ny tso-drivotra ihany ny olombelona;

tahaka ny aloka mandalo foana ny androny.

5 Iaveh ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna;

tendreo ny tendrombohitra dia aoka hirehitra izy.

6 Aoka Ianao hampanjopiaka ny tselatra ka hampiparitaka ny fahavalo;

alefaso ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireny.

7 Ahinjiro avy any ambony ny tananao

ka afaho sy vonjeo aho amin’ny rano be,

amin’ny tanan’ireo tarana-pirenen-kafa,

8 izay mamoaka lainga ny vavany,

ary tanana ankavanana mivadika no tanany ankavanana.

9 Andriamanitra, hihira fihiram-baovao ho Anao aho,

hankalaza Anao amin’ny valiha tory folo aho.

10 Ianao izay nanome fandresena ny mpanjaka,

sy namonjy an’i Davida mpanomponao amin’ny sabatra mahafaty,

11 dia afaho sy vonjeo aho

amin’ny tanan’ireo tarana-pirenen-kafa,

izay mamoaka lainga ny vavany,

ary tanana ankavanana mivadika no tanany ankavanana.

12 Hanahaka ny zana-kazo mirobona anie ny zanakay lahy

ka hitombo mandritra ny fahatanorany.

Hanahaka ny andry fehizoro anie ny zanakay vavy,

misy sarin-javatra voasikotra, toy ny amin’ny Tempoly!

13 Ho feno mandrakariva anie ny sompitray,

ka ho hipoka vokatra isan-karazany.

Ny ondrinay eny an-tanim-bilonay anie

hitombo arivoarivo sy alinalina,

14 ary ny ombinay hahavanona anaka.

Aza misy ao anatin’ny mandanay ny fahabangana na fikoizana,

aza misy re eny amin’ny kianjanay anie ny antso vonjy taitra!

15 Sambatra ny firenena, miarana amin’izany zava-tsoa izany.

Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *