Categories
Salamo

Salamo 19

I Iaveh, Masoandro fahamarinana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. – Tononkiran’i Davida.

2 Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra,

ary ny habakabaka manambara ny asan-tanany.

3 Ny andro mitory fiderana amin’ny andro,

ny alina mampandre izany amin’ny alina.

4 Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny

izay tsisy haharenesana ny feony:

5 fa mitety ny tany rehetra ny fanenon’ny feony,

ka tonga hatramin’ny faran’ny tany ny fikarantsan’ny feony.

Dia any Izy no nanangan-day ho an’ny masoandro.

6 Ary Izy io tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy amin’ny trano fandriany

dia miezaka an-kafaliana toy ny olo-mahery fo, hanafaka ny lalan-kalehany.

7 Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala;

ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany;

tsy misy tsy takatry ny hafanàny.

8 Lavorary ny lalàn’i Iaveh,

mamelombelona ny fanahy;

mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh,

ka mahahendry ny kely saina.

9 Mahitsy ny fandidian’i Iaveh,

ka mahafaly ny fo;

madio ny didin’i Iaveh,

ka mampahazava ny maso.

10 Masina ny fahatahorana an’i Iaveh,

ka maharitra mandrakizay;

marina ny fitsipik’i Iaveh,

ka mahitsy avokoa.

11 Sarobidy noho ny volamena ireny,

mihoatra noho ny volamena madio betsaka;

mamy noho ny tantely izy,

mihoatra noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra.

12 Ny mpanomponao koa dia hazavain’ireny;

ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy.

13 Iza moa no mahalala ny faniasiavany?

Mamelà ahy amin’izay tsy fantatro.

14 Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao;

aoka tsy hanjaka aminy ireny.

Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.

15 Raiso amim-pankasitrahana ny tenin’ny vavako,

mbamin’ny fitiavan’ny foko,

eo anatrehanao, ry Iaveh,

Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *