SALAMO 21 (Volgata 20)
Fisaorana noho ny vitan’ny mpanjaka
1 Ho an’ny mpampianatra hira. – Salamon’i Davida.
2 Ry Iaveh, mifaly amin’ny herinao ny mpanjaka;
endrey ny haben’ny firavoravoany amin’ny famonjenao!
3 Nomenao azy izay nirin’ny fony,
tsy nolavinao izay nangatahin’ny molony.
– Selà
4 Fa notsenainao fanambinana fatratra izy;
satroboninahitra volamena madio no nataonao tamin’ny lohany.
5 Nangataka aina taminao izy, ka nomenao azy izany;
dia andro lava sy mandrakizay alaovalo.
6 Noho ny famonjenao dia lehibe ny voninahiny;
nomenao laza amam-pamirapiratana izy.
7 Nataonao fandrotsaham-pitahiana mandrakizay izy;
fenoinao hafaliana eo anatrehan’ny Tavanao izy.
8 Fa matoky an’i Iaveh ny mpanjaka,
ka tsy mangozohozo izy noho ny famindram-pon’ny Avo indrindra.
9 Ho azon’ny tananao ny fahavalonao rehetra, ry Mpanjaka,
ho azon’ny tananao ankavanana izay mankahala Anao;
10 hataonao toy ny fatana mirehitraizy,
amin’ny andro fampisehoanao ny Tavanao.
Haringan’i Iaveh amin’ny fahatezerany izy ireo,
ary handevona azy ny afo.
11 Hofongoranao eo amin’ny tany ny taranany,
ary eo amin’ny zanak’olombelona ny tamingany.
12 Nanao fiomanana handevona anao izy ireo
namoron-kevi-dratsy, nefa tsy hahefa.
13 Fa Ianao kosa no hampiamboho azy;
hikendry ny handriny amin’ny tsipìkanao Ianao.
14 Mitsangàna amin’ny herinao, ry Iaveh ô,
te hihira sy hankalaza ny fahefanao izahay.