Fombam-pivavahana fidirana amin’ny toerana masina
1 Salamon’i Davida.
An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy,
izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy.
2 Fa Izy no nanorina azy, tambonin’ny ranomasina;
sy nampitoetra azy tambonin’ny ony.
3 Iza no hiakatra any amin’ny tendrombohitr’i Iaveh?
iza no hitoetra eo amin’ny fitoerany masina?
4 Izay tsy manan-tsiny ny tanany, ary madio ny fony,
izay tsy manarana ny fanahiny amin’ny lainga,
ary tsy mianiana mba hamitaka.
5 Hahazo ny fanambinan’i Iaveh izy,
ny fahamarinana avy amin’ny Tompon’ny famonjeny.
6 Toy izany ny taranak’izay mitady Azy,
dia ireo mitady ny Tavan’ny Andriamanitr’i Jakôba.
– Selà
7 Asandrato ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata ianareo, ry varavarana fahagola,
hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra.
8 Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany?
I Iaveh mahery sy mahefa,
I Iaveh mahery an’ady.
9 Asandrato ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata ianareo, ry varavarana fahagola
hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra!
10 Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany?
I Iavehn’ny tafika,
Izy no Mpanjakan’ny voninahitra!
– Selà