Antso vao maraina ataon’ny olo-marina enjehina
1 Tononkiran’i Davida; fony izy nandositra teo anatrehan’i Absalôma zanany.
2 Ry Iaveh ô, akory izato hamaroan’ny fahavaloko!
Endrey ity habetsahan’ireo mitsangan-kamely ahy!
3 Maro ny milaza ny amiko manao hoe:
«Tsy misy famonjena ho azy intsony eo
amin’Andriamanitra!»
– Selà
4 Kanefa, ry Iaveh, Ianao no ampingako;
Ianao no voninahitro sy manandratra ny lohako.
5 Miantso an’i Iaveh amin’ny feoko aho,
dia mamaly ahy any an-tendrombohinymasina Izy.
– Selà
6 Nandry aho dia natory;
nifoha indray aho, fa i Iaveh no tohako.
7 Tsy matahotra aho, eo anoloan’ny vahoaka tsy tambo isaina,
izay mivangongo manodidina ahy hatraiza hatraiza.
8 Mitsangàna, ry Iaveh ô! Vonjeo aho, ry Andriamanitro!
Fa Ianao no mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra;
Ianao no manorotoro ny nifin’ny ratsy fanahy.
9 An’i Iaveh ny famonjena!
Ho amin’ny vahoakanao anie ny fanambinanao!
– Selà