Categories
Salamo

Salamo 30

Fisaorana fa nieren’ny fahafatesana

1 Salamo. Hira amin’ny fitokanana ny trano. Nataon’i Davida.

2 Mankalaza Anao aho, ry Iaveh, fa efa nanandratra ahy Ianao,

tsy nataonao ho fifalian’ny fahavaloko aho.

3 Iaveh Andriamanitro ô,

nitaraina taminao aho, dia nositraninao.

4 Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin’ny Seoly Ianao;

nampody ny aiko Ianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.

5 Mihirà ho an’i Iaveh ianareo mpiraikitra aminy,

mankalazà ny fahatsiarovana masina Azy.

6 Fa indray mipi-maso no aharetan’ny fahatezerany,

ary mandritra ny andro iainana ny fahasoavany;

ny hariva no tonga ny fitomaniana,

ary ny maraina kosa misy ny fifaliana.

7 Hoy aho, raha mbola be ny tokiko:

Tsy hangozohozo mandrakizay aho.

8 Iaveh ô, noho ny fahasoavanao dia nohamafisinao ny tendrombohitro; –

nanafina ny Tavanao Ianao ka nitebiteby aho.

9 Niantso Anao aho, ry Iaveh,

nitaraina tamin’i Iaveh aho:

10 Mampaninona Anao moa ny mandatsa-dra ahy,

sy mampidina ahy any an-davaka?

Hidera Anao va ny vovoka;

hanambara ny fahamarinanao va izy?

11 Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho;

Iaveh ô, avia hamonjy ahy! –

12 Dia nampody ny fidradradradràko ho fifaliana Ianao,

namaha ny lasàkako Ianao ka nampisikina fifaliana ahy,

13 mba hankalaza Anao ny fanahiko ka tsy hangina.

Iaveh Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *