Hasambaran’izay mibaboka heloka
1 Nataon’i Davida. Fisaintsainana masina.
Sambatra izay voaesotra ny helony,
sy voavela ny fahotany.
2 Sambatra ny olona tsy tanan’i Iaveh heloka,
izay tsy misy fitaka ny fanahiny.
3 Raha mbola nangina aho, nihalany ny taolako rehetra,
tamin’ny fitolokoko isan’andro.
4 Fa nanindry ahy, andro aman’alina, ny tananao;
nihamaina ny herin’ny aiko tamin’ny hainandro lohataona.
– Selà
5 Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko.
Hoy aho: «Hiaiky ny fahadisoako amin’i Iaveh aho.»
Dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako
– Selà
6 Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra,
amin’ny fotoana mety.
Marina, fa amin’ny fahatondrahan’ny rano be,
dia tsy hahatratra azy izany.
7 Ianao no fialofako; hiaro ahy amin’ny fahoriana Ianao,
hodidininao hiram-pamonjena aho.
– Selà
8 Hampianarikosy hasehoko anao izay lalan-kizoranao;
ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
9 Aza manahaka ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina:
tsy maintsy entina amin’ny vy sakam-bavany
aman-damboridy ireny;
fa tsy mety manaiky izy raha tsy izany.
10 Fahoriana be no anjaran’ny ratsy fanahy;
fa fahasoavana kosa no manodidina an’izay matoky an’i Iaveh.
11 Mifalia sy miravoravoa amin’i Iaveh ianareo olo-marina,
Manaova hobin-kafaliana ianareo mahitsy fo rehetra!