Tarainan’ny Levita voasesitany
1 Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana nataon’ny taranak’i Kôre,
izay nenti-ko babo tany Babilôna.
2 Toy ny anirian’ny serfa ny loharano
no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!
3 Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko,
dia Andriamanitra velona:
rahoviana aho no handeha ka hiseho tsy an-kijanona
eo anatrehan’ny Tavan’Andriamanitra?
4 Ny ranomasoko no haniko andro aman’alina,
dia ny ilazan’ny olona amiko tsy an-kijanona hoe:
Aiza izay Andriamanitrao?
5 Mahatsiaro aho – ary amin’izany fahatsiarovako izany
mangitaka ny foko ao anatiko, –
nony namindra notronim-bahoaka aho,
nony nandroso ho ao an-tranon’Andriamanitra,
eo afovoan’ny hobim-pifaliana amam-pisaorana,
eo afovoan’ny vahoaka be manao fety!
6 Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko,
ka mihavatravatra ato anatiko?
Manantenà an’Andriamanitra fa izaho mbola hidera Azy,
izay famonjena ny tavakosy Andriamanitro!
7 Ketraka ny fanahiko ato anatiko,
ka izany no ahatsiarovako Anao, eo amin’ny tanin’i Jordany,
mbamin’i Hermôna, sy ny tendrombohitr’i Misara.
8 Mifampitaona ny onjan-drano nony mirohondrohona ny riananao,
ka ny onjan-drano aman-driakao dia mandalo manafotra ahyavokoa.
9 Nandidy ny fahasoavany hitsidika ahy i Iaveh, ny antoandro;
teo amin’ny molotro ny hirany, nony alina;
10 nanao fivavahana tamin’ny Andriamanitry ny aiko.
Ary izaho kosa, dia hoy aho amin’Andriamanitra vatolampiko:
nahoana no manadino ahy Ianao?
11 Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo,
ampahorin’ny fahavalo?
Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho,
12 ilazany tsy an-kijanona hoe: «Aiza izay Andriamanitrao?»
Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko?
Manantenà an’Andriamanitra, fa izaho mbola hidera Azy,
izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro.