Fitomanian’ny firenena
1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Fihirana.
2 Andriamanitra ô, ny sofinay mandre,
ny razanay nitantara taminay,
ny asa nataonao tamin’ny androny, tamin’ny andro fahataloha.
3 Nandroaka firenena Ianaotamin’ny tananao, hamponenana azy;
nikapoka vahoaka Ianao hanitarana azy.
4 Satria tsy ny sabatr’izy ireo no nahazoany ny tany,
tsy ny sandrin’izy ireo no nahazoany fandresena,
fa ny tananao ankavanana, ny sandrinao,
ny fahazavan’ny Tavanao, satria tia azy Ianao.
5 Ianao no mpanjakako, ry Andriamanitro ô!
Mandidia ny famonjena ho an’i Jakôba!
6 Ianao no handavoanay ny fahavalonay,
ny Anaranao no anorotoroanay ny mpanohitra anay.
7 Fa tsy matoky amin’izay tsipìkako aho;
tsy hahavonjy ahy ny sabatro.
8 Fa Ianao no manafaka anay amin’ny fahavalonay;
sy mampahamenatra an’ireo mankahala anay.
9 Andriamanitra no ireharehanay isan’andro,
ary ny Anaranao no derainay mandrakizay!
10 Kanjo manosi-bohon-tanana sy manafo-kenatra anay Ianao,
tsy miara-mivoaka amin’ny tafikay intsony.
11 Ataonao mikoy eo anatrehan’ny fahavalo izahay,
ary baboin’ireo mankahala anay.
12 Atolotrao toy ny ondry enti-kovonoina izahay;
aelinao amin’ny firenena izahay.
13 Ataonao varo-boba ny vahoakanao,
fa tsy asianao vidiny ohatrinona akory.
14 Ataonao fandàtsan’ny tany ama-monina izahay;
dia faneso amam-panarabian’ny manodidina anay.
15 Ampanjarianao ho ambentintenin’ny firenena izahay,
ka ihifikifihan-doha amin’ny vahoaka.
16 Eo imasoko lalandava ny fangaihaiko,
ary safotry ny henatra ny tarehiko,
17 amin’ny feon’ny mpaneso amam-pamingavinga;
amin’ny fahitana ny fahavalo mbamin’izay mirehitra ny hamaly ratsy.
18 Izany rehetra izany no manjò anay,
nefa tsy nanadino Anao izahay;
tsy nivadika tamin’ny fanekenao izahay.
19 Tsy nihemotra hianòtra ny fonay;
tsy niala tamin’ny lalanao ny dianay,
20 no anorotoroanao anay eo amin’ny fieren’ny amboadia,
sy anaronanao anay amin’ny aloky ny fahafatesana.
21 Raha nanadino ny Anaran’Andriamanitra izahay,
sy nanandra-tanana tamin’andriamani-kafa,
22 tsy ho hitan’Andriamanitra va izany,
nefa ny miafina ao am-po aza fantany?
23 Ianao ihany anefa no amonoana anayisan’andro,
sy anaovan’ny olona anay toy ny ondry entin-kovonoina.
24 Mifohaza, ry Tompo ô! Nahoana no matory Ianao?
Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay!
25 Nahoana no dia afeninao ny Tavanao,
ka hadinonao ny fahantrana amam-pahorianay?
26 Fa ny fanahinay, tafahohoka amin’ny vovoka,
ny vatanay tafaraikitra amin’ny tany!
27 Mitsangàna hamonjy anay,
afaho izahay noho ny hatsaram-ponao.