Categories
Salamo

Salamo 46

Eo amintsika Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny.- Hira.

2 Andriamanitra no arontsika sy herintsika,

famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana.

3 Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany,

na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,

4 na misamboaravoara sy mandroatra aza ny onjan-dranomasina,

ka mampihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.

5 Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan’Andriamanitra;

ny fonenany masina onenan’ny Avo indrindra.

6 Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina Izy;

vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.

7 Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana;

vao nampandre ny feony Izy dia nihotsaka matahotra ny tany.

8 I Iavehn’ny tafika momba antsika;

ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika.

– Selà

9 Avia, jereo ny asan’i Iaveh,

dia ny fandravana nataony tetỳ an-tany!

10 Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany;

ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny;

ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.

11 Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho,

manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany!

12 I Iavehn’ny tafika momba antsika;

ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika.

– Selà

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *