I Siôna tendrombohitr’Andriamanitra
1 Fihirana. Salamon’ny taranak’i Kôre.
2 Lehibe i Iaveh, Izy no alehan’ny fiderana rehetra,
ao an-tanànan’ny Andriamanitsika, amin’ny tendrombohitra masina.
3 Mitsangana mahafinaritra, fifalian’ny tany rehetra,
ny tendrombohitra Siôna,
eo amin’ny fara vazantany avaratra,
ny tanànan’ny Mpanjaka lehibe.
4 Ao an-dapany, Andriamanitra,
niseho ho fiarovana.
5 Fa he nivory ireo mpanjaka,
dia niara-nandroso izy ireo.
6 Kanjo nahita Azy, dia vahotra terỳ,
nivadi-po izy, ka vaky nandositra.
7 Hovitra no nahazo azy ireo teo,
fanaintainana hoatra ny an’ny vehivavy miteraka.
8 Novakinao amin’ny rivotra avy Atsinanana,
ny sambon’i Tarsisa.
9 Izay efa renay tamin’ny hafa dia ny masonay no nahita,
tao an-tanànan’i Iavehn’ny tafika,
tanànan’ny Andriamanitsika.
Hamafisin’Andriamanitra mandrakizayizy.
– Selà
10 Andriamanitro, mahatsiahy ny tantaran’ny hatsaram-ponao izahay,
ao anatin’ny tempolinao.
11 Tahaka ny Anaranao, ry Andriamanitra,
toy izany koa ny fiderana Anao
tonga hatrany am-para vazantany.
Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
12 Aoka hifaly ny tendrombohitra Siôna,
aoka hiravoravo ny zanaka vavin’i Jodà,
noho ny fitsarànao!
13 Mandiava an’i Siôna ianareo; mandehana manodidina azy;
isao ny tranony mimanda.
14 Jereo tsara ny mandany;
diniho ireo lapany,
hitantarana azy amin’ny taranaka ho avy.
15 Io no Andriamanitra izay Andriamanitsika mandrakizay doria;
Izy no mpitarika antsika amin’ny taona mandrakizay.