Vavaka maraina
1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny sodina. Salamon’i Davida.
2 Mampandria ny sofinao amin’ny teniko, ry Iaveh,
henoy ny sentosentoko.
3 Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro,
fa Ianao no andefasako ny fivavahako.
4 Iaveh ô! vao maraina dia mandre ny feoko Ianao;
vao maraina dia atolotro Anao ny faniriako ka miandry aho.
5 Fa Ianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy;
ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra Aminao.
6 Ny adala tsy mety haharitra eo imasonao;
ny mpanao ratsy hàlanao avokoa.
7 Ny mpiteny lainga aringanao;
ny mpandatsa-dra ama-mpamitaka, halan’i Iaveh.
8 Ary ny amiko, noho ny famimdram-ponao lehibe,
dia handeha ho ao an-tranonao aho;
hiankohoka manatrika ny tempolinao masina
amim-pahatahorana Anao aho.
9 Tompo ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho, noho ireo fahavaloko,
ataovy marina amin’ny diako ny lalanao.
10 Fa eo am-bavany, tsy mba misy fahatsorana;
ny fony tsy misy afa-tsy faharatsiana;
ny tendany, fasana misokatra;
ataony malefadefaka ny lelany.
11 Faizo izy, Andriamanitra ô!
Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy;
noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo,
satria tafaodina aminao.
12 Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao;
hafaliana tsy mety tapaka ny azy;
dia hiaro azy Ianao;
hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.
13 Fa mitahy ny marina Ianao, ry Iaveh,
Ataonao manodidina azy, toy ny ampinga, ny fankasitrahana.