Fivavahana ara-panahy
1 Salamon’i Asafa.
Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany,
hatramin’ny fiposahan’ny masoandro,
ka hatramin’ny filentehany.
2 Avy ao Siôna, fahatsaran-tarehy lavorary,
no amirapiratan’Andriamanitra.
3 Avy ny Andriamanitsika, ka tsy hangina;
afo mandevona no eo alohany,
tafio-drivotra mahery no manodidina azy.
4 Miantso ny lanitra ambony izy,
mbamin’ny tany koa, mba hitsara ny vahoakany.
5 Anangony izay miraiki-po amiko aho,
dia ireo nanao fanekena amiko, amin’ny sorona.
6 Ary mitory ny fahamarinany ny lanitra,
fa Andriamanitra no ndeha hitsara.
– Selà
7 Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny Aho;
henoy, ry Israely, fa hananatra Aho,
Izaho no Elohima, Andriamanitrao.
8 Tsy ny amin’ny soronao no aniniako anao,
fa eo anatrehako mandrakariva ny soronao dorana.
9 Tsy haka izay ombalahy ao an-tranonao Aho,
na izay osilahy ao am-balanao.
10 Fa ahy avokoa ny biby any an’ala,
mbamin’ny biby eny an-tendrombohitra, an’arivony.
11 Fantatro daholo ny voromanidina eny an-tendrombohitra,
ary eo am-pelatanako izay mihetsiketsika rehetra eny an-tsaha.
12 Raha mba noana Aho, tsy hilaza aminao akory,
fa Ahy avokoa izao tontolo izao sy izay ao aminy.
13 Moa mihinana izay nofon’ombalahy va Aho?
Moa misotro izay ran’osilahy va Aho?
14 Ny fisaorana no atero ho soronaho an’Andriamanitra,
ary efao amin’ny Avo indrindra ny voadinao.
15 Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho,
dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
16 Fa amin’ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra:
«Ahoana no mba anononanao ny lalàko,
sy anaovanao am-bava ny fanekeko,
17 izay ianao olona mankahala fifehezana,
sy manifika ny teniko any ivohonao?
18 Raha mahita mpangalatra ianao,
dia vary lena ianao sy izy,
ary miombona amin’ny mpaka vadin’olona ianao.
19 Ny vavanao, halefanao hiteny ratsy,
ary ny lelanao manira fitaka.
20 Mipetraka ianao, dia miteny mamely ny rahalahinao,
sady manala baraka ny zanakalahin-dreninao.
21 Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho,
ka dia noheverinao fa mitovy aminao Aho,
kanjo indro Aho hananatra anao,
sy hanampatra izany rehetra izany eo imasonao.
22 Koa mitandrema àry, ianareo manadino an’Andriamanitra,
fandrao ataoko potika, ka tsy hisy hamonjy.
23 Izay manatitra ny fisaorana ho sorona
no manome voninahitra Ahy;
ary izay mandamina ny lalany
no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.»