Categories
Salamo

Salamo 55

Vavaky ny enjehina

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Hiran’i Davida.

2 Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra,

aza iambohoanao ny fitarainako.

3 Henoy aho, ary valio koa!

Efa miriorio be ihany, mitoreo sy mitoloko aho,

4 noho ny fandrahonan’ny fahavalo

sy ny fampahorian’ny ratsy fanahy;

satria ampidirany loza aho,

ary enjehiny amim-pahatezerana.

5 Ka ny foko mangorohoro ato anatiko;

ny tahotra ny fahafatesana manindry ahy.

6 Ny hovitra amam-badi-po mamely ahy;

ny horohoro koa manarona ahy.

7 Ary hoy aho: Endrey! raha manana elatry ny voromahailala mantsy aho,

dia hanidina sy hipetraka amim-piadanana;

8 dia handositra lavitra dia lavitra aho,

ka honina any an’efitraany.

– Selà

9 Hitady fialofana faingana aho,

lavitra ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra.

10 Tompo ô, aringano izy, ary akoroy ny fiteniny!

fa ao an-tanàna dia heriny sy ady no hitako;

11 Voahodidiny andro aman’alina ny mandany;

ny heloka sy ny fampahoriana no ao afovoany,

12 ny faharatsiana no ao anatiny;

tsy mandao ny kianjany ny famoretana amam-pitaka.

13 Fa tsy mba hoe fahavalo akory no manaratsy ahy;

raha izany dia zakako ihany;

tsy mba rafilahy no mitsangan-kamely ahy;

raha izany, hiery azy aho.

14 Fa ianao izay nataoko toy ny tenako;

mpanolo-tsaina tsy anafenana aman-tsakaizako.

15 Nifanerasera tamim-pifankazarana mamy isika;

niara-nandeha tamin’ny maro,

ho any an-tranon’Andriamanitra isika.

16 Aoka ho azon’ny fahafatesana tampoka izy ireo,

ka hidina velona any amin’ny Seoly!

Fa ao amin’ny fonenany, ao afovoan’izy ireo, ny hasomparana.

17 Izaho kosa, Andriamanitra no antsoiko,

ary i Iaveh no hamonjy ahy.

18 Hariva, maraina, am-pamatonan’andro, mitaraina aho,

mitoloko aho ka handre ny feoko Izy.

19 Hanafaka ny fanahiko amin’ny ady amelezany ahy,

ho amin’ny fiadanana, Izy,

fa maro ry zareo miady amiko.

20 Ho ren’Andriamanitra ka hanetry an’ireny Izy,

izay mipetraka mandrakizay ao amin’ny fiketrahany.

– Selà

Satria tsy misy fiovana ireny,

tsy manana ny tahotra an’Andriamanitra.

21 Maninji-tanana amin’izay mihavana aminy,

mamadika ny fanekeny.

22 Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany,

nefa ady no ao am-pony.

Malemy noho ny diloilo ny teniny,

nefa lela sabatra miharihary.

23 Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy;

tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.

24 Ary Ianao, ry Andriamanitra, dia hampidina azy any an-davaka fahaverezana;

ireo olona mandatsa-dra sy mpamitaka,

tsy hahatratra ny antsasaky ny androny.

Fa ny amiko kosa, dia Ianao no ametrahako ny fitokiako.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *