Categories
Salamo

Salamo 59

Lanio harena ny ratsy fanahy

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran’i Davida. Fony i Saola naniraka hiambina ny tranony, hamonoany azy.

2 Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitra ô,

arovy tsy ho azon’ireo mpanohitra ahy aho!

3 Afaho amin-dry zareo mpanao ratsy aho,

ary vonjeo tsy ho azon’ny olona mpandatsa-dra.

4 Fa indro izy manotrika hanala ny aiko;

olona mpanao an-keriny no miray tetika hamely ahy;

na dia tsy meloka aza aho, na dia tsy nanota aza aho, ry Iaveh,

5 na dia manan-tsiny aza aho, dia mirohotra hanotrika izy ireo.

Mifohaza, avia hitsena ahy, sy hijery.

6 Ianao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely,

mitsangàna Ianao, hamay ny firenena rehetra,

ka tsy ananana antra akory ireny mpamadika sy mpanao ratsy!

– Selà

7 Miverina izy ny hariva dia manerona toy ny amboa

mandeha manodidina ny tanàna.

8 Fanalikàna no mibasasaka avy ao am-bavany;

sabatra no eo amin’ny molony:

Iza moa no handre? hoy izy.

9 Fa Ianao kosa, ry Iaveh, mihomehy azy ireo,

mananihany ny firenena rehetra.

10 Ry Heriko ô, dia hitodika any aminao aho,

fa Andriamanitra no trano mimandako.

11 Ho avy mialoha ahy ilay Andriamanitra manambina ahy,

hampibanjina ahy ny fahavaloko Izy.

12 Aza vonoina ireny, fandrao hadinon’ny vahoakako,

fa ampirenireneo amin’ny herinao izy, dia haongano,

ry Tompo, ampinganay!

13 Manota ny vavany, isaky ny miteny ny molony;

aoka ho voasingotry ny reharehany ny tenany,

noho ny ozona aman-dainga tononiny!

14 Aringano amin’ny hatezeranao izy, aringano tsy ho eo intsony ireny.

Aoka ho fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin’i Jakôba

hatrany amin’ny faran’ny tany.

– Selà

15 Miverina izy ny hariva, dia mierona toy ny amboa

mandeha manodidina ny tanàna.

16 Mirenireny atsỳ arỳ, mitady ny rembiny,

mitrontròna izy raha tsy voky.

17 Fa izaho kosa hihira ny herinao,

ary hankalaza ny hatsaram-ponao, nony maraina;

satria Trano mimandako Ianao,

sy Fialofako amin’ny andro fahoriako.

18 Ry Heriko ô, hihira ho an’ny voninahitrao aho,

fa Trano mimandako Andriamanitra,

ilay Andriamanitra manambina ahy.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *