Talaho ao anatin’ny fitsapana
1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny zava-maneno tendrena. Amin’ny Oktavy. Salamon’i Davida.
2 Iaveh ô, aza sazînao amin’ny fahatezeranao aho,
ary aza faizinao amin’ny fisafoahanao.
3 Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa reraka aho;
sitrano aho, ry Iaveh, fa mangozohozo ny taolako.
4 Mitebiteby loatra ny fanahiko,
fa Ianao Iaveh mandra-pahoviana?…
5 Miverena, ry Iaveh, afaho ny fanahiko,
vonjeo aho, noho ny famindram-ponao.
6 Fa ny efa maty tsy mahatsiaro Anao intsony,
any amin’i Seoly zovy no hidera Anao?
7 Trotraka aho, azon’ny misento,
ampo-dranomaso isan’alina ny fandriako;
vonton’ny ranomasoko ny farafarako.
8 Lanin’alahelo ny masoko;
efa mason’antitra noho ny ataon’ny mpanenjika ahy rehetra izy.
9 Mialà amiko ianareo mpanao ratsy rehetra,
fa efa ren’i Iaveh ny feon’ny fitomaniako,
10 Efa nohenoin’i Iaveh ny fifonako,
efa raisin’i Iaveh ny fivavahako.
11 Hangaihay sy ho raiki-tahotra ny fahavaloko rehetra;
hihemotra izy, fa safo-kenatra tampoka.