Andriamanitra, hany fanantenana
1 Ho an’ny mpampianatra hira… Iditona. Salamon’i Davida.
2 Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana,
Izy no iavian’ny famonjena ahy.
3 Eny, Vatolampiko amam-pamonjena ahy Izy,
Trano mimandako, ka tsy hangozohozo indrindra aho.
4 Mandra-pahoviana no hiantorahanareo amin’olona,
mba hiarahanareo mandrodana azy,
toy ny fandrodanana tamboho mitongilana,
tahaka ny manda efa mihotsaka?
5 Eny, mioko hanongana azy amin’ny fiamboniany izy ireo;
mifaly amin’ny lainga izy,
ny vavany misaotra,
ny fony anefa manozona!
– Selà
6 Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin’Andriamanitra,
fa avy aminy no iavian’ny fanantenako.
7 Eny, Vatolampiko amam-Pamonjena ahy Izy,
Trano mimandako, ka tsy hangozohozo aho.
8 Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro.
Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.
9 Matokia Azy mandrakariva, rey vahoaka;
aborahy eo anatrehany ny fonareo;
Andriamanitra no fialofantsika.
– Selà
10 Eny, zava-poana ny olombelona,
fitaka ny zanak’olombelona.
Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy
izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.
11 Aza matoky ny fanovana an-keriny,
ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna.
Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo.
12 Efa niteny indray mandeha Andriamanitra,
na indroa, ka nahare aho:
An’Andriamanitra ny fahefana.
13 Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo,
fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao.