Categories
Salamo

Salamo 64

Sazin’ny mpanendrikendrika

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida.

2 Andriamanitra ô, henoy ny feoko,

raha mampandre ny fitarainako aho,

arovy amin’ny fahavalo mampitahotra ahy ny aiko.

3 Fefeo aho, tsy ho azon’ny firaisan-tetiky ny mpanao ratsy,

tsy ho azon’ny andian’olon-dratsy efa misafoaka,

4 izay manasa ny lelany toy ny sabatra,

izay manamboatra ny zana-tsipìkany – izay teny mangidy –

5 handefasany azy an-katakonana hitifitra ny tsy manan-tsiny;

alefany hamelezany azy tampoka, tsy manan-tahotra akory.

6 Mihombo mafy amin’ny hevi-dratsiny izy;

mifanolo-tsaina hamela-pandrika izy;

ka manao hoe: «Iza moa no hahita izany?»

7 Tsy misaina afa-tsy heloka be vava izy:

«Vonona isika, hoy izy, vita tsara ny tetik’ady.»

Lalina ny ao anatin’ny olombelona sy ny fony!

8 Kanjo kosa nolefasan’Andrimanitra ny zana-tsipìkany izy ireo,

ka indreo izy maratra tampoka.

9 Azera amin’ny tany izy, voatsingidin’ny vava nalefany izy.

Mihifikifi-doha avokoa izay mahita azy.

10 Raiki-tahotra avokoa ny olona,

ka manely laza ny nataon’Andriamanitra,

fa fantany izay efa nataony.

11 Dia mifaly amin’i Iaveh sy mitoky aminy ny marina;

mirehareha avokoa ny mahitsy fo rehetra.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *