Antsa fisaorana
1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Fihirana.
2 Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna,
ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.
3 Ianao, izay mihaino ny fivavahana,
dia mankaminao ny olona rehetra.
4 Tsindrian-keloka miavosa aho ity;
Ianao no mamela ny hadisoanay.
5 Sambatra ny olona fidinao sy raisinao ho akaikinao,
mba honina ao an-kianjanao!
Enga anie izahay ka hivoky ny zava-tsoa ao an-tranonao,
dia ao an-tempolinao masina.
6 Zava-mahagaga no anekenao ny fangatahanay noho ny fahamarinanao,
ry Andriamanitry ny famonjena anay,
tokin’ny vazantany efatra,
sy ny ranomasina lavitra any.
7 – Izy no mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny;
misikina ny fahefany,
8 mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroaran’ny onjany,
ary ny fikorontanan’ny vahoaka.-
9 Ankona amin’ny zava-mahagaga ataonao ny mponina any an-tany lavitra;
ampiravoravoanao ny fara sisiny, dia ny atsinanana sy ny andrefana.
10 Manampy ny tany Ianao, mba hahazina azy,
fenoinao harena izy.
Feno rano ny loharanon’Andriamanitra,
raha lonahinao toy izany ny tany, dia vary no omaninao.
11 Manondraka ny tany voaasa Ianao, mandravona ny baingany,
manalemy azy amin’ny tandrifin-drahona,
mitahy ny fitsimohany.
12 Ny taona dia ataonao feno ny fanasoavanao tafahoatra;
mitsororoka ny menaka amin’ny Dianao.
13 Vonton-drano ny tanimbolinao any an’efitra;
miravaka hafaliana ny havoana.
14 Rakotra biby fiompy ny tanim-bilona,
miravaka salohim-bary ny lohasaha,
mifaly sy mihira ny zavatra rehetra.