Vavaky ny olo-marina enjehina
1 Hira firehetan’iDavida nohirainy tamin’i Iaveh, noho ny tenin’i Kosa Benjamita.
2 Iaveh Andriamanitra ô, Ianao no itokiako;
vonjeo amin’izay rehetra manenjika ahy aho, ka afaho;
3 fandrao aho dia viravirainy toy ny fanaon’ny liona,
fandrao arapany ny remby, tsy misy hanafaka.
4 Iaveh Andriamanitra ô, raha nanao izany aho,
raha misy heloka eto an-tanako,
5 raha mamaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho;
raha nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana aho,
6 dia aoka hanenjika ahy ny fahavaloko, ka hahatratra ahy;
aoka hohitsahiny amin’ny tany ny aiko;
aoka hohoseny amin’ny vovoka ny voninahitro;
7 Iaveh ô, mitsangàna amin’ny fahatezeranao;
mirohota hamely ny fisamontotry ny fahavaloko;
mifohaza hamonjy ahy, fa Ianao no mamoaka fitsarana marina.
8 Aoka hanodidina Anao ny fivorian’ny firenena!
dia misandratra eo amboniny Ianao amin’izay,
ka miakara indray any amin’ny avo.
9 Iaveh no mitsara ny firenena:
tsarao aho, ry Iaveh,
araka ny fahamarinako sy ny tsy fananako tsiny.
10 Farano ny ratsy ataon’ny ratsy fanahy,
ary hamafiso kosa ny marina,
Ianao izay mamantatra ny fo sy ny kibo, ry Andriamanitra marina ô!
11 Ny ampingako dia ao amin’Andriamanitra,
izay mamonjy ny olona mahitsy fo.
12 Mpitsara marina Andriamanitra;
mampandre ny fandrahonany isan’andro ny Tsitoha.
13 Tokoa fa manasa ny sabany indray Izy,
manenjana ny tsipîkany, dia mikendry.
14 Alefany amin’ireo ny longiny mahafaty,
ataony mahamay ny zana-tsipîkany.
15 Indro ny ratsy fanahy mihetsi-jaza hiteraka faharatsiana,
fampahoriana no torontoronina ao aminy, ary lainga no aterany.
16 Mandoaka lavaka izy, mihady azy
ary izy no latsaka amin’ny hantsana nomaniny.
17 Mitsingerina eo an-dohany ny haratsiany,
ary miverina eo an-tampon-kandriny ny fanaovany an-keriny.
18 Hidera an’i Iaveh noho ny fahamarinany aho,
sy hihira ny Anaran’i Iaveh, ilay Avo indrindra.