Vavak’olona antitra
1 Ianao, ry Iaveh, no nataoko fialofako,
aoka tsy ho menatra na oviana na oviana aho!
2 Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho, ka afaho!
Atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho!
3 Aoka Ianao ho vatolampy tsy azo hanihina ho ahy,
izay ho azoko handosirana mandrakariva.
Efa nandidy ny hamonjy ahy Ianao,
fa Ianao no Vatolampiko sy Trano mimandako.
4 Ry Andriamanitra ô, afaho aho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy,
amin’ny tanan’ny olon-tsy marina sy masiaka.
5 Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh,
Ianao no ipetrahan’ny fitokiako hatramin’ny fahatanorako!
6 Ianao no iankinako hatramin’ny aho fony vao teraka;
Ianao izay mamoaka ahy avy any am-bohoka
ka Anao ny fiderako mandrakizay!
7 Tonga toa zava-mahagaga aho eo imason’ny vahoaka,
kanjo Ianao no fiarovana mafy ho ahy.
8 Ho feno fiderana Anao anie ny vavako,
hankalaza ny hasoavanao isan’andro anie izy.
9 Aza arianao aho amin’ny andron’ny fahanterako;
ary aza ilaozana rehefa mihena ny heriko.
10 Fa miray tetika hamely ahy ny fahavaloko,
ary miara-mioko, izay mikendry ny aiko,
11 manao hoe: «Efa nafoin’Andriamanitra izy! Enjeho,
sambory, fa tsy misy izay hiaro azy!»
12 Ry Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy;
ry Andriamanitra, faingàna hamonjy ahy!
13 Aoka ho menatra sy ho levona,
izay mitady ny aiko!
Aoka ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka,
izay mitady hahavery ahy.
14 Fa izaho dia hanantena mandrakariva,
ary mbola hampitomboiko indray ireo fiderana Anao rehetra.
15 Ny vavako hitory ny fahamarinanao,
mbamin’ny fanambinanao tontolo andro;
fa tsy hitako izay isan’izany.
16 Hilaza ny asanao lehibe aho, ry Tompo Iaveh ô,
hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao irery.
17 Ry Andriamanitra, nampianarinao hatry ny fony mbola tanora aho
ary mitory ny fahagaganao, mandraka ankehitriny!
18 Mandra-pahatongako ho antitra sy fotsy volo,
aza ilaozanao aho Andriamanitra,
mba hampahafantarako ny herinao amin’ny taranaka ankehitriny,
ary ny fahefanao amin’ny taranaka ho avy.
19 Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao, ry Andriamanitra,
Ianao izay mahefa ny zava-dehibe!
– Iza no tahaka Anao, ry Andriamanitra? –
20 Ianao izay efa nampihatra fizahan-toetra betsaka sy mahatsiravina.
Nefa mbola hamelona anay indray Ianao,
ka hampiakatra anay avy amin’ny hantsan’ny tany.
21 Hasandratrao indray ny voninahitro,
ary hampionona ahy indray Ianao.
22 Dia hoderaiko amin’ny feom-baliha,
hohiraiko ny fahamarinanao, ry Andriamanitra ô!
hankalaza Anao amin’ny harpa aho, ry Masin’i Israely!
23 Ka amin’ny hihiràko ho Anao, dia eo amin’ny molotro ny firavoravoana,
sy ho ao amin’ny fanahiko izay novonjenao.
24 Ary hitory ny fahamarinanao isan’andro ny lelako;
fa ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka kosa
izay mitady fahaverezana ho ahy.