Fitomaniana nony voaroba ny Tempoly
1 Fihirana nataon’i Asafa.
Ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nanary anay mandrakizay Ianao?
sy mirehitra amin’ny ondry ao amin’ny tanim-bilonao ny hatezeranao?
2 Tsarovy ny vahoakanaoizay azonao tamin’ny andro fahataloha,
navotanao ho foko lovanao!
Tsarovy ny tendrombohitra Siônanataonao fonenanao.
3 Ny dianao tariho ho eo amin’ireo korontan-javatra tsy azo amboarina;
simban’ny fahavalo avokoa izay teo amin’ny fitoerana masina.
4 Nanerona teo amin’ny kianjanao masina, ny mpanohitra Anao;
nanangana ny fanevany ho faneva izy.
5 Ny fijery azy, toy ny mpikapa hazo,
manainga famaky ao amin’ny ala mikitroka!
6 Ary ankehitriny, ny rafitra misikotra rehetra,
dia nomontsaniny avokoa nasiany ny famaky sy ny kanonta.
7 Nodorany tamin’ny afo ny fitoeranao masina,
nazerany sy notevatevainy ny fonenan’ny Anaranao.
8 Hoy izy anakampony: «Ravaontsika avokoa izy ireo!»
Nodorany daholo ny fitoerana masina amin’ny tany.
9 Ny famantaranay, tsy hitanay intsony;
ny mpaminany, tsy misy intsony;
ary tsy misy aminay mahalala mandra-pahoviana no…
10 Mandra-pahoviana, ry Andriamanitra, no haniratsiran’ny mpampahory,
sy hanevatevan’ny fahavalo tsy an-kijanona ny Anaranao?
11 Nahoana no avonkinao ny tananao, ny tananao ankavanana?
avoahy avy ao an-tratranao izy, dia aringano ireny!
12 Andriamanitra anefa no mpanjakako, hatry ny fahataloha;
Izy izay efa nanao famonjena betsaka tetỳ ambonin’ny tany.
13 Ianao no nampisaraka ny ranomasina tamin’ny herinao,
nanorotoro ny lohan’ireo biby goavam-be tao anaty rano.
14 Ianao no namakivaky ny lohan’i Leviatàna
dia nanome azy hohanin’ny vahoaka any an’efitra.
15 Ianao no nampiboiboika ny loharano aman-dranon-driaka,
Ianao no nahatankina ny ony tsy mety ritra.
16 Anao ny andro, Anao ny alina;
Ianao no nahary ny masoandro amam-bolana.
17 Ianao no nametra ny faritra rehetra amin’ny tany;
Ianao no nanorina ny ririnina amam-pahavaratra.
18 Tsarovy fa maniratsira an’i Iaveh ny fahavalo;
miteny ratsy ny Anaranao ny vahoaka adala!
19 Aza atolotra ny biby ny ain’ny domohinanao,
aza hadinoina mandrakizay ny ain’ny olo-mahantranao.
20 Hevero tsara ny fanekenao! fa izao zoron-tany rehetra izao
feno fandrian-dompy avokoa.
21 Aoka tsy hiverina amin-kenatra, ny tra-pahoriana!
aoka ho afaka hidera ny Anaranao, ny ory sy mahantra!
22 Mitsangàna Ianao, ry Andriamanitra, iandraiketo ny adinao;
tsarovy ny faniratsiràn’ny adala Anao isan’andro.
23 Aza hadinoina ny akoralavan’ny mpandrafy Anao:
ny reharehan’ireo mankahala Anao mitombo mandrakariva!