Hanoherana an’ireo fahavalon’i Israely
1 Fihirana. Salamon’i Asafa.
2 Ry Andriamanitra ô, aza dia mijanom-potsiny;
aza mangina na mitsahatra, ry Andriamanitra!
3 Fa indreto mikofokofoka amim-pitabatabana ny fahavalonao,
misolanandrana erỳ izay mankahala Anao.
4 Mamoron-tsaina hamandrihana ny vahoakanao izy,
miara-mioko hamely ny olona arovanao.
5 Andao, hoy izy, hofongorantsika eo amin’ny firenena izy ireo,
ka aoka tsy hotononina intsony ny anarana hoe Israely.
6 Miray fo avokoa izy rehetra mioko,
manao fanekena hanohitra Anao izy,
7 dia ny lain’ny Edôma sy ny Ismaelita,
i Moaba sy ny Agarenianina,
8 i Gebala, i Amôna ary i Amaleka,
ny Filistinina mbamin’ny mponina any Tira;
9 I Asora koa mikambana amin’izy ireo,
ka manampy ny taranak’i Lôta.
– Selà
10 Ataovy tahaka an’i Madiànaireo,
tahaka an’i Sisarà, mbamin’i Jabìna teo amin’ny ranon’i Sisôna.
11 Ripaka tao Andôra izy,
ka tonga zeziky ny tany.
12 Ataovy tahaka an’i Oreba sy i Zeba ny lehiben’izy ireo,
ary tahaka an’i Zebea sy i Salmanà ny andriandahy rehetra aminy.
13 Fa hoy izy: «Aoka halaintsika ho antsika,
ireo fonenan’Andriamanitra!»
14 Ry Andriamanitra ô, ataovy tahaka ny tadio ireo,
tahaka ny mololo entin’ny rivotra!
15 Tahaka ny afo mandevona ny ala,
tahaka ny lelafo mampirehitra ny tendrombohitra;
16 tahaka izany no anenjeho azy amin’ny tadionao;
ampitahory azy amin’ny tafio-drivotrao.
17 Ataovy safo-kenatra ny tavany,
mba hitadiavany ny Anaranao, ry Iaveh!
18 Aoka izy ho menatra sy ho raiki-tahotra mandrakizay,
sy hangaihay ary ho azon’ny fandringanana.
19 Aoka ho fantany fa Ianao – dia Iaveh no Anaranao, –
Ianao ihany no ilay Avo indrindra ambonin’ny tany rehetra!