Fanaingana
1 Avia hihira amim-piravoravoana ho an’i Iaveh!
Manaova hobim-pifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika!
2 Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana;
aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika.
3 Fa i Iaveh Andriamanitra lehibe,
mpanjaka lehibe, ambonin’ireo andriamanitra rehetra.
4 Hazoniny eo an-tanany ny fanorenana ny tany,
ary azy ny tampon’ny tendrombohitra.
5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy;
mbamin’ny tany koa, fa ny tanany no namorona azy.
6 Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka Azy isika;
mandohaliha eo anatrehan’i Iaveh Mpahary antsika.
7 Fa Izy no Andriamanitsika,
ary isika dia vahoaka eo am-balany,
andian’ondry entin’ny tanany.
A! raha mba mihaino ny feony mantsy ianareo anio!
8 Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà,
tahaka ny tamin’ny andro tao Masà, tany an’efitra,
9 izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy,
sy nizahany toetra Ahy, na dia efa nahita ny asako aza izy ireo.
10 Nandritra ny efapolo taona aho monain’izany taranaka izany,
ka nanao hoe: «Vahoaka manana izay fo mania izy,
ary tsy nahalala ny lalako.»
11 Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe:
«Tsy hiditra amin’ny fitsaharakoizy.»