Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 1

LOHATENY SY TENY VOALOHANY

1 Tononkira dia tononkira, nataon’i Salômôna.

Ny ampakarina

2 Hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany anie izy!

Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;

3 soa ny hanitry ny zava-manitrao,

diloilo mamerovero ny anaranao,

izany no itiavan’ny zatovo vavy anao.

4 Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika!

Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho,

hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay,

hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay.

An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!

Ny ampakarina

5 Mainty aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema, nefa tsara tarehy.

Sahala amin’ny lain’i Sedera, tahaka ny trano lain’i Salômôna.

6 Aza ny hamaintiko no jerena,

fa ny hainandro no nampivalomainty ahy:

tezitra tamiko ny zanak’i neny;

nasainy niandry tanimboaloboka aho,

ny tanimboaloboko, ny ahy, tsy mba nandrasako.

7 Lazao ahy, ry malalan’ny foko

izay iandrasanao ny ondrinao,

izay ampandrianao azy raha mitatao vovona ny andro,

mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho,

eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao eny.

Antoko-mpihira

8 Raha tsy fantatrao izany, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy,

mandehana manaraka ny biby fiompinao,

dia andraso eny akaikin’ny trano bongon’ny mpiandry ondry, ny zanak’osinao.

Mpampakatra

9 Amin’ny soavaly vaviko mitarika ny kalesin’i Faraôna

no ampitahàko anao, ry malalako.

10 Tsara ny takolakao voahodidin’ireo fehivozona,

soa ny vozonao, voahodidin’ireo voahangy maro andalana.

11 Ny hataonay ho anao dia rado volamena mitentim-bolafotsy.

Ampakarina

12 Raha teo amin’ny saofàny indrindra iny ny mpanjaka

no nandefa ny fofony kosa ny zava-manitro.

13 Ho ahy ny malalako, dia mira eran-kitapo kely,

izay miondana eo an-tratrako.

14 Amiko ny malalako, dia sipra iray sampaho,

any an-tanimboalobok’i Engadi!

Mpampakatra

15 Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao!

Masom-boromahailala, ny masonao.

Ampakarina

16 Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako,

eny mahafinaritra ianao.

Ny farafarantsika dia farafara zava-maitso.

Mpampakatra

17 Sedera ny sakamandimbin-tranontsika;

sipresy ny peta-drindrintsika.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *